tao anatin’izao 4 taona naha filoham-pirenena voafidy ilay lazaina lalandava fa “mamim-bahoaka” izao. Isaky ny misy moa ilay tranga mampiady hevitra toy izay miseho ankehitriny dia isan’ny fanehoan-kevitra hita sy re ny hoe fandrendrehana saim-bahoaka na “diversion” indray. Ao ny filazana fa fanalam-baraka na fanomezana endrika ratsy ny filoham-pirenena na ny fitondrana. Eo koa ny filazana hoe ady anatin’ny samy mpitondra. Na inona na inona ambara anefa, na inona na inona lazaina dia fanimbana firenena daholo izany rehetra izany ka tokony hahatsapa tena st hijery fitaratra izay tompon-kevitra na nanatontosa azy ireny. Na niseho hitam-bahoaka izy na tsia dia tsy midika fitiavan-tanindrazana mihitsy aloha ny nataony ary mety tsy fitiavan-tena koa aza fa famitahan-tena. Iza moa no malagasy hahazo tombony raha sanatria ho rendrika tanteraka ity firenena ity? Iza no ho faly raha sanatria ho tanteraka tokoa ilay hoe handova dezaka ny taranaka? Ny ala atsinanana izay noheverin’ny amiraly tsy ho ringana hatramin’izay aza efa an-dalam-paharinganana amin’izao fotoana izao. Hihevitra koa ve isika fa tsy ho ritra mandrakizay ireo harem-pirenena na harena an-kibon’ny tany na rehefa mety ho harena voajanaharintsika na dia ho atao tantely hafa-drakotra hatrany aza mandram-piala eo amin’ny fitondrana? Firifiry ny tany efa lasan’ny vahiny eto? Mitokona ireo malagasy valalabemandry mahatsiaro ho lasibatra saingy firy isan-jaton’izy ireny moa no mba mahazo rariny? Miandry an’ilay fitondrana heveriny fa mba azo atao andry iankinana izy nefa ny henony isaky ny mihetsika dia hoe tratra tamin’ny raharaha “Panier Garnis” indray hono. Nanao aferana “bonbon sucette” hono, nanodina “écran plat”, niodina niaraka tamin’ny artista, nanararaotra ara-nofo mpiara-miombon’antoka, hono. Karazam-baovao tahaka izany foana izany no ho henony ataon’ireo mpitondrany mandram-pahatongan’ny fotoam-pifidianana amin’ny 2023, raha tahiany hijanona hatreo koa aza izany. Misy firenena handroso ho antenaina amin’izany ve ?
J. Mirija
Mitombo ny handalan’ny mpitondra, ka ny ratsy sy tsy nety nokianina mafy sy nentina
ny fisian’ny atao hoe mpanohitra sy mpanohana fitondràna. Isan’ny fanontaniana mipetraka ankehitriny