airtel

Edito

10-févr-2021

Edito

Tany sy teny

Sample post image

Tany, teny, tantara. Ireo no singa miisa 3 tsy azo atao tsinontsinona, raha tiana ny

10-févr-2021

 

hametraka ny firenena iray eo amin’ny toerana mendrika ny maha firenena azy. Fijerin’ireo mpahay tantara izay. Teny, tany, tena kosa, hoy ireo mpahaiolona, satria efa tsy afa-misaraka amin’ny tany ny tantarany. Ny tena, izany hoe, ny olombelona, indrindra, aza ho azy ireo no tena tsy azo hadinoina satria io no tena harena, araka ilay lahabolam-paritra iray izay hoe “ Tany fotaka, aomby biby, vola taratasy, ny olona no harena.”. Tsy hidirana lalina ny amin’izay fa ny tena tiana hasongadina dia ny hoe fototra tsy azo ihodivirana ao anatin’izany rehetra izany ny tany sy ny teny. Mety ho ilay tanindrazana iombonan’ny Malagasy rehetra io dia I Madagasikara iray manontolo. Mety ho ilay tanin-drazana, teny 2 mifanohy amin’ny tsipi-panohizana, manambara ilay tany nihavian’ny razamben’ny tena tsirairay. Na ilay iray voalohany na ilay iray faharoa no lasan’ny “mpanani-bohitra” toy ny mpanjanatany tamin’ny fotoan’androny sy izay mpanjanatany amin’ny endriny vaovao jerentsika sy ireo mpitondra antsika fotsiny ankehitriny dia efa loza mitatao amin’ny taranantsika hatrany izany. Manan-jina toy izany ihany koa ny teny. Tsy voatery ilay fanoratra sy fanonona no tiana ambara amin’io fa ny fanajana na tsia ny teny nomena mihitsy. Firifiry tamin’ireo teny nomen’ny mpitondra antsika moa no notanterahany tao anatin’izay 12 taona izay? Teny momba ireo tany itoerana harena maro izay nosy manodidina efa nolazain’ny firenena mikambana fa antsika hatry ny ela aza hita ho toy ny nivadihan’ny filoham-pirenentsika tamin’ny ora farany ny momba azy ka asa atsy ho atsy izay ho vokatr’izany rehetra izany raha toa isika mbola hitaza-potsiny hatrany.

J. Mirija

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap