airtel

Edito

30-oct-2024

Taranaka sisa tsinjovina!

Handova dezaka eto isika, raha izao

Sample post image

no mitohy, hoy ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina,

30-oct-2024

Zafimahaleo Rasolofondraosolo, izay ny taona 2017. Dama na Dama Mahaleo moa no tena hahafantaran’ny olona azy. Io tokoa ary izany izao fa dia mbola mitohy ny resaka gaboraraka amin’ny fiondranan’ny volamena na koa biby ahiana ho lany tamingana sy harem-pirenena hafa tokony hitondraka tanjaka ara-toekarena ho an’ity firenena ity kanefa dia mitohivakana ho tantely afa-drakotra lasa manasoa an-drizareo any ivelan’i Madagasikara any. Mamaramparana ny taona 2024 isika izao. Asa hoe manao ahoana ny toe-draharaha momba ireo harem-pirenen’izany Madagasikara izany fa na ny ala atsinanana, izay neverin’ny filoham-pirenena teo aloha, izay efa nodimandry, Didier Ratsiraka, fa tsy ho lany tamingana mandrakizay aza ity jereo ity izy!? Inona izany sisa izao ilay hoe mba ho lovain’ny taranaka eto satria raha izao fandehany izao dia taranaka sisa tsinjovina aloha! Fomba fitenin’ny olon-dehibe izay ny hoe ny anay efa vita na hoe «Ny antsika anie efa vita e! Fa mba ahoana ny momba ireto ankizy?». Na dia efa lasa voasokajy ao anatin’ny antsoina hoe filàna saro-tadiavina na «denrée rare» aza amin’izao fotoana izao ny rano dia mbola mahita izany indraindra ihany aloha isika miaina ny vanim-potoana ankehitriny. Mety mbola mba afaka manangona kely ihany fa ahoana kosa ary ny mikasika ireo ho taranantsika ao aoriana ao. Inona sisa izany no mba mety ho anjaran’izy ireo raha toa ka ankehitriny, efa izao no zava-miseho? Miampy an’ity olan’ny herinaratra ity moa ilay izy dia vao mainka ianao te hitomany hoe hiverina hiaina ny fiainan’ireo olona tany an-davaka na «homme des cavernes» ve izany ireo taranaka ao aoriana ao dia ahoana no mety mba ho heritreriny momba ireo razambeny na raiamandreniny, raha sanatria ho tonga izany vanim-potoana izany? Hihevitra ve izany ireo ho taranaka atsy ho atsy hoe ny raiamandreninay tia tena, tsy nitsinjo ny taranany nefa iaraha-mahita miharihary ankehitriny ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra eto amin’ity firenena ity? Tsy misy izay tsy mahalala hoe ataon’olona lalam-poza na «passoire» hatramin’izao ilay sisin-dranomasina na lafin-tany fa seranana samihafa eto amin’ilay firenena. Inona moa no harem-pirenena tsy efa niondrana an-tsokosoko sy very an-javony teto nefa tsy hita intsony hatramin’izao ny tohiny? Na resaka volamena 73,5kg io na 48kg na 50kg. Na resaka andramena io na sokatra na gidro na inona na inona saingy tsy hita mazava hatramin’izao hoe nanahoana ny tohiny. Hatramina satro-boninahitrana mpanjaka no very. Hatramina volamena mihidy anaty biraona minisitra nodimbiasina praiminisitra no tsy hita fa dia hoe nivadika vy kanefa dia mbola izao iaraha-mahita izao hatrany ny fiainantsika raha tsy hilaza afa-tsy izay ihany aloha. Asa izay mbola hiseho! Tsy fantatra izay mba hifoha fa ny ezaka atao izany sisa dia hoe ny taranaka sisa tsinjovina aloha! Ny taranaka sisa tsinjovina!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-mars-2025

rehefa jerena ny fihetsika politika na «comportement politique» an’ireo mpitondra

Card image cap