airtel

Edito

28-déc-2022

Edito

Tehirizina ho valalabemandry

Sample post image

Isika malagasy moa efa ela no voalaza fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny atsasa-manila.

28-déc-2022

Raha ny lazan’ny fitotongan’ny fanabeazana teto Madagasikara tao anatin’izay 4 taona izay aza dia ahiana fatratra ny hoe tena efa mihoatra lavitra izany tarehimarika izany. Tsy mitombona intsony ny filazana fa tezaina ho valalabemandry ny vahoaka malagasy satria efa izany ary mbola izany izy hatramin’izao ary tena efa tehirizina ho valalabemandry mihitsy angamba mba hisian’ny fifandimbiasan’ireo tsy mahay afa-tsy ny “mampirevy” vahoaka satria tsy manana tena vinam-pampandrosoana mitombona ho an’ity firenena ity. Toy ny zary lasa fampisehoan-kery na “démonstration” hatramin’ny resaka finoana sy fivavahana. Ekena tokoa angamba hoe nandia fety Kristianina dia ny Krismasy isika vao tsy ela akory izay saingy ny mahagaga dia mahay miara-Kristianina ny mpanao politika rehefa tonga ny fety Kristianina ary samy miara-mandrety serasera mifandraika amin’izany. Misy tonga any Israely. Misy mizara fanomezana eny amin’ny Akamasoa. Mahay miara-Miozolimanina rehefa tonga ny fety Miozolomanina ary samy mandretirenty serasera mifandraika amin’izany koa. Misy sahy milaza amin’izay finoana vangiany rehetra mihitsy aza moa ny sasany fa zanak’ilay finoana dia toy izany koa rehefa mitety faritra. Izay lalovana rehetra dia lazaina fa lehibe tao amin’ilay toerana. Ny hoe nahalatsahan’ny tavony aloha, iny efa tsy azo hihodivirana ny fahamarinany fa ny ankoatran’izay kosa angamba mbola azo iadian-kevitra. Rehefa misy afo ahiana hirehitra dia tsy ela koa ny famonoana afo na dia vahaolana vonjitavanandro ihany aza, hoy ilay mpanao politika iray izay. Isan’ny nampametra-panontaniana, ohatra, omaly ny fanomezana alalana hivarotra ireo mpivarotra amoron-dalana. Noho ilay siontsioka teny Analakely ve dia mody “ampirevena” aloha ireo madinika atahorana hitroatra satria diso fanantenana? Isan’ny fanontaniana mipetraka izany saingy mahalasa saina koa hoe dia toy izany foana ve izany no mba karazana politika hitaizana sy efa hitehirizana ity malagasy ity. Iza amin’ireo mpanao politika marobe, indrindra, mandindona te ho filoham-pirenena ireo, izany no mba hitondra ny tena atao hoe politikam-pampandrosoana marina eto ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap