airtel

Edito

06-déc-2021

Edito

Telo taona aty aoriana Miha voaporofo hatrany ny fampiesonana tamin’ny propagandy

Sample post image

Efa hitan’izao fitondrana izao ilay fomba fanjonoana mpifidy na “marketing électoral”, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, izay.

06-déc-2021

 Any ambanivohitra be no misy kianja manara-penitra. Tsy mijery izy hoe mitondra vahaolana ho an’ilay fiarahamonina ve izany sa tsia fa ny hahalany azy indray amin’ny taona 2023 amin’ny alalan’io “marketing électoral” io no tanjony. Zaraina T Shirt sy kasikety sy hena ny Malagasy amin’izay fotoana izay dia adinony ireo fimenomenomany be dia be tao anatin’ny Facebook nandritry ny taom-piasan’izao fitondrana izao, hoy hatrany ny santionan’ny famakafakan’ity minisitra teo aloha ity. Vao tamin’ny herinandro teo ihany koa no nilaza ny avy eo anivon’ny antoko politika Natiora fa efa tsy misy na inona na inona mandeha amin’izay laoniny intsony eto. Mbola nanamafy izany ny depiote Roland Ratsiraka nandritry ny “Face à face” nifanaovana tamin’ireo governemanta ary nanazava fa mifanipaka amin’ny zava-misy ny vahaolana entin’izao governemanta izao hany ka mitombo ihany ny isan’ny mahantra sy ny sahirana. Mbola naveriny ihany koa ny voambolana hoe “tsy mandeha amin’izay laoniny”. Saika mbola mametra-panontaniana ny rehetra hatramin’izao hoe inona ihany izany no tena vinan’ity fitondrana ity. Inona no heveriny ho drafitra na “plan” ahafahany manatanteraka izany izay tsy fantatra intsony moa izay tena izy hoe ilay IEM efa natao PEM ve sa ilay PGE sa ilay Velirano sa ilay drafitra Marshall? Ny tsikaritra hatramin’izao aloha dia miha voaporofo hatrany ireo fampiesonana manara-penitra tamin’ny propagandy izay nataon’ny filoham-pirenena ankehitriny. Aiza ilay mpamatsy vola nolazaina fa efa vonona tamin’izany ka haha tontosa vetivety ireo velirano toy ny Miami sy ny Tanamasoandro? Fahantrana lalina mbola tsy hita tao anatin’ny 60 taona toy izao iainana ankehitriny izao moa ilay nampanantenaina sa fampandrosoana? Hampindram-bola an’I kaomoro sa ho takian’ny banky iraisampirenena trosa? Santionany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap