airtel

Edito

03-nov-2026

Tena afaka

mahomby !

Sample post image

Mahavelom-bolo sy mampirehareha

03-nov-2026

foana rehefa misy Malagasy mahomby sy mamiratra amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy misy ny tonga lafatra, saingy tsapa ho toy ny misy fararanom-pahombiazana izany raha jerena amin’ny lafiny fanatanjahantena. Malagasy no Afrikanina voalohany nibata fandresena goavana ho an’ny hazakazaka fiarakodia tany Thaïlande ny alahady teo, nahita fahombiazana ny Barean’i Madagasikara latsaky ny 15 taona tany amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Azerbaïdjan satria nifakaiky tamin’ireo Firenen-dehibe amin’ny baolina kitra toa an-dry Portugal, Angletera,… Ry zareo Frantsay aza nihoarantsika lavitra dia lavitra. Amin’ny tontolon’ny robotika, ekipa Malagasy roa no tafita amin’ny dingana famaranana tanterahana any Sénégal, tafiditra 10 voalohany tamin’ireo mpifaninana marobe taty Afrika. Vao omaly, ekena fa vao lalao savaranonando saingy nampihetsi-po ny fandresentsika an-dry zareo Amerikanina tamin’ny rubgy lalaovin’olona 7 ho an’ny latsaky ny 18 taona, ary mbola nandavo an’i Espagne,… Ny tato anatin’ny herinandro ireo, fa ny azo hamintinana azy dia ny hoe : « Mahay ny Malagasy », « Mendrika ny Malagasy »,… satria ny sarin’ny Firenena no entin’izy ireny amin’ny fahombiazany. Mba tsy ny fahantrana, ny laza ratsy, ny tsy fandriampahalemana,… foana no tokony ho heno sy re any ivelany, fa ilay tsara sy kanton’ny Firenena. Matoa isika mahomby amin’ny sehatra goavana tahaka ireny dia tokony ho afaka mahomby amin’ny zava-drehetra. Mila finiavana, mila fikirizana, mila herim-po, mila fitiavan-tanindrazana,… Raha mahomby amin’ny fanatanjahantena, nahoana no tsy tokony hahomby amin’ny fitantanana ? Samy loha 1, rantsana 5, maso 2, sofina 2,… izao ihany no niharian’ilay nahary !
Toky R
 

Dans la même rubrique