airtel

Edito

13-juil-2022

Edito

Tena miantraika any am-bilany io !

Sample post image

Tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny na ny fifamendrofendroana intsony tokoa izao, fa fotoana natao hiatrehana sy hitadiavam-bahaolana manoloana ny fahasahiranana mandifotr’olona miseho ankehitriny.

13-juil-2022

Teny efa nambaran’ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany io rehefa nahazo tsiny tamin’ny vahoaka momba ny goragora nahatafidiran’ny coronavirus teto tamin’ny martsa 2020 io. Ekena ary tsy azo lavina izany satria tsy mahavaha olana ny fifanomezan-tsiny. Na izany aza, fotoana natao hisaintsainana sy hakana lesona izao, indrindra fa amin’ny ara-politika. Tsy natao hialokalofana amin’ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fandetehana an-davaka ny firenena ny filazana fa tsy tokony hifanome tsiny. Matoa nomena fahafehana na nanao izay fomba rehetra handrombahana an’io, dia tokony hahay hampiasa an’io ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka sy ny firenena, fa tsy sanatria hameno paosy sy kitapo amin’ny afera maizina tsy hita pesimpesenina. Tsy misy hilàna mpitondra Fanjakana raha ho mpialokaloka ao ambadiky ny olana sy hitady izay hanilihana ny rindrina foana, ka ny fanabadoana vahoaka amin’ny alalan’ny filalaovana serasera sisa misongadina. Fotoana hitarafana hoe: hatraiza ny fara-fahaizan’ny mpitondra firenena amin’ny fiatrehana sy fahamahana ny olam-bahoaka? Olona tahaka ny inona no tokony hofidiana hitantana ny firenena indray satria efa miha atomotra ihany koa ny fifidianana? Fanapepoana sy fiantsoana ny olona hiraviraviray tànana tsy handray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena ny fivoizana fa tsy miankina amin’ny mpitondra ny vary harotsaka any am-bilany fa noho ny ezaky ny tsirairay. Mety hisy fahamarinany amin’ny ampahany izany, saingy mifandray ny zava-drehetra. Na io vary vidianao io aza mety tsy ho voavidinao sy tsy ho tonga any am-bilaninao rehefa Fanjakana tsy mahay mitantana sy tsy mametraka ho laharam-pahamehana ny soa ho an’ny vahoaka sy ny firenena no eo. Miharihary izany ankehitriny! Fotoana izao hakana lesona tsy ho sodokan’ny ronono an-tavy, mamirapirapiratra, fampanantenana manaka-danitra, fa mba hahay hijery sy handinika hoe: inona amin’ny ambaran’ireo mpanao politika no hahasoa kokoa ny firenena? Iza no mety tena hahavita ary iza no mety hamahan-dalitra fotsiny?
oky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap