airtel

Edito

29-juil-2022

Edito

Tena mitsapa ny herim-bahoaka ?

Sample post image

“Miasa izao fitondrana izao, efa miezaka ny fitondrana mamaha ny olana, ekena fa misy ny olana fa kosa efa tena miezaka ny fitondrana,…!”,

29-juil-2022

ireny no isan’ny voizin’ny mpitodra sy nny olona mafy amin’izao fotoana izao manoloana ny tsy fahaiza-mitantana, ka mampitotongana ambony ambany an’i Madagasikara. Fampanantenana lava, fa izay vokany tsy hita, ka tonga amin’ilay fitenenana hoe: ny akoho tsy naneno ohatr’izay efa naman’ny lanin’ny kary. Lazaina fa hendry ny vahoaka, ary mahita ny ezaka ataon’ny mpitondra amin’ny fampandrosoana ka tsy ho azo amin’ny fitarihana eny an-dalambe. Vahoaka aiza aloha izany sao dia efa tena diso firenena na maso hafa no mijery e? Ezaka aiza sy mankaiza sa ny fiezahana mametraka tandindona volomboasary etsy sy eroa no antsoina hoe: fampandrosoana? Ny fari-piainan’ny vahoaka no tokony hitarafana izany. Raha tena mahavita azy ny mpitondra, tsy hisy mpanohitra hahazo olona ary tsy misy mpihaina, tsy mila hamoahana basy aman-tafondro tahaka ny hita ny herinandro teo ireny,… Matoa tonga amin’ireny dia tsy mahatoky valera intsony, ary miharihary sahady ny ho don-tandroka manara-penitra amin’ny fifidianana ho avy. Ny tena mahalalanina sy toa mampihomehy aza dia ny be traikefa amin’ny fanonganam-panjakana sy ny fandrombahana fahefana tsy amin’ny fomba demokratika indray no lasa mpanome lesona amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika. Moa va tsy tahaka ny saka mampianatra hoe: tsy azo atao ny mangalatra trondro fa ratsy? Izany no alehany rehefa mahana tsy henjehina noho ny natao, mbola sahy milaza fa resy lahatra amin’izao fitondrana izao ny vahoaka matoa tsy mihetsika. Izany ve tsy efa fanompana vahoaka ankolaka sy fiheverana azy ireo ho bado sy badraodra? Tena hiandry vahoaka hitroatra faratampony haneho ny hatezerany ve ny Fanjakana Rajoelina vao hanaiky sy hiaiky fa tena leso sy tofoky ny tsy fahaiza-mitantana ny vahoaka? Tena mitady izany herim-bahoaka? Efa nahazo lesona tamin’ny 2009 ny olona, ary tsy midika ho fanekena sy fanohanana ary fahazakana izao efa fitantanana tsy manjary izao ny fahanginany. Raha izay no tadiavin’ny Fanjakana, inoana fa ho avy izany na ho ela na ho haingana, hain’ny olona ny maneho izany amin’ny latsa-bato na amin’ny endriny hafa! Samia ho ela velona fa ny diavolan-ko lava, kilalao mbola ho ela, hoy ny fitenenenana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap