airtel

Edito

12-avril-2021

Edito

Teoria no betsaka

Sample post image

Ny planina tsara rafitra indrindra aza, hoy ny mpitondra fanjakana amerikanina teo aloha,

12-avril-2021

 

 

Colin Powell, izay mipatitaka rehefa eny an-kianja maika moa izany fa hevitra kitanitany sy maimaika no entina mandray fanapahan-kevitra? Efa ela no naha resy lahatra ny tandrefana sy tatsinanana ary ireo firenena miha mivoatra aty afrika fa matetika mifanalavitra io teoria sy fampiharana io. Ny filoham-pirenena sinoa teo aloha, Mao Tsé-toung, aza talohan’ny taona 1949 no efa resy lahatra fa ambony noho io dinika an-databatra na teoria io izany fampiharana izany. Nanana ny IEM ny filoham-pirenena nandritry ny fampihelezan-kevitra. Anaty fitondrana izy ankehitriny saingy maro ireo mbola mametra-panontaniana hoe nanao ahoana ny nampiharana izany? Niara-dalana tamin’izy io moa ilay hoe Velirano. Nipoitra koa avy eo ny hoe PGE, izany nolazaina fa namadihana ny IEM ho praogramam-panjakana. Fanazavan’ny filoham-pirenena farany teo indray anefa dia hoe efa lasa PEM indray ilay IEM ary mbola nambara fa fandaharana toy ilay PGE koa io “Programme Emergence Madagascar” io ary hanatontosana ilay “Initiative Emergence Madagascar”. Nilokalokana tamin’ny fampihelezan-kevitra efa tamin’ny 2 taona lasa mahery ny IEM saingy izao indray ve izany vao tena ho tontosaina? Nolazaina tamin’ny taon-dasa koa moa fa nanakana ireo tetikasa rehetra an’ny fitondrana tokony ho efa tontosa ela ny fidiran’ity valanaretina ity eto. Nanangana drafitra vaovao hanarenana ny mety ho takaitran’izy io koa noho izany ny filoham-pirenena sy ny ekipany dia ilay “Plan Marshall” izay nanokanana tetibola manokana. Aiza ho aiza koa izany iny amin’izao fotoana izao sa ho lany andro hitokana vato fototra manerana ny nosy eto fotsiny, araka ny nambaran’ilay mpanao politika iray izay, mandra-pahatonga ny 2023? Ilay aretina nanomanana drafitra Marshall ity tsy resy tosika fa miha mahery vaika aza. Teoria hatreto no betsaka!

 

J. Mirija

 

  

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap