airtel

Edito

31-janv-2025

Teren-ko masaka!

Isan-taona izany izao tato anatin’ity fitondràna ity dia namokatra

Sample post image

be galona am-polony maro hatrany i Madagasikara. Niampy 22 indray ny isan’ireo Jeneraly manerana ny nosy.

31-janv-2025

Ny zava-misy anefa efa iarahan’ny rehetra mahalala, hatramin’ireo mpamatsy vola sy mpampiasa vola eto amin’ity firenena ity, fa manjaka ny tsy fandriampahalemana. Kivy ianao nihaino ireo tsikera ara-diplaomatika nihatra tamin’ilay nosy malala nataon’ireo vondrona iraisampirenena niara-nivory tamintsika tao Genève, Soisa, farany teo. Na resaka fanajàna zon’olombelona na resaka fanajàna demokrasia na inona na inona dia izany no tena hoe tsy nahitàna mangirana na miabo azo noraisina fa dia fahamenarana sy finiavana hanongo tena no lasa nanery ny ankamaroan’ireo mpanara-baovao satria firenena iaraha-manana izy ity. Hita ho teren-ko masaka sisa ny fampandehanana ilay raharaha misy eto amin’ny firenena! Tsy misy mpisehatra politika sy mpamakafaka izay tsy velom-panontaniana amin’izao fotoana izao hoe inona ihany marina izany no tena politikam-pampandrosoana mba hananan’ity fitondràna ity sy kasainy hamahàna marina ny olana tena misy? Efa tena lany henatra ve? Ambom-po hanova famindra amin’ny fomba fiasa no heverina fa nandrasan’ny maro taorian’ireny fanakihanan’ny olona ity firenena ity ho mahantra indrindra eran-tany ireny kinanjo fidinginan-drambo, hoy ny fitenenana no nitranga. Ny fisian’ny fitohanan’ny fifamoivoizana aty an-drenivohitra, izay mampihisatra ny famokaràn’ireo olompirenena indray no nolazain’ny mpitantana sasany fa mariky ny fananan’ilay firenena harena. Sanatria ohatran’ny hoe mamoha fota-mandry moa rehefa miteny an’ilay saingy indrisy anefa fa zava-nisy ho raketin’ny tantara ireny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mahafehy ny zava-drehetra mikasika ny fitantanana Firenena ankehitriny io,

Card image cap
22-mai-2025

fitondràna izao hahatongavana marina ho an’ity Madagasikara ity isika mianakavy!

Card image cap