filalaovana ny fitsarana ho an’ny tombotsoa politika, fanagadrana, fanambazana ara-bola,… eny hatramin’ny famonoana sy fanapoizinana ara-politika mihitsy aza. Betsaka ny sary maneho ny kilalao maloto, ka zary lasa mitovy amin’ilay ny vola tsy maha mpihavana sy tsy maha mpinamana. Tena betsaka ny toe-javatra avo lenta mety tsy eto amitsika ihany fa mety mpitranga any ivelany, saingy toa hafa mihitsy indraindray zava-misy eto Madagasikara. Firifiry tokoa moa ireo mpitsoaka ny Firenena, mialokaloka any ivelany satria matahotra ny hogadraina, matahotra ny ho tratry ny famonoana ara-politika,… Mahalasa saina ohatra ireny ampamoaka samihafa nataona mpanao politika na olona nanana ny maha izy azy teto amin’ny Firenena ireny, saingy boriboriana amin’ny hoe : tsaho, fanalam-baraka,…Tsy midika fa mino 100% an’ireny fa ny finiavana handiso sy fitadiavana fomba sy zavatra hafa hanarontsaronana an’ireny, dia midika zavatra betsaka. Na tiana na tsy tiana, tena betsaka ny toe-javatra hafahafa maneho fifamotehana tonga hatramin’ny mety fifandatsahana aina ankolaka noho ny hevitra tsy mitovy. Izany no toa mitady hifandovana eto. Tsy amin’ny politika ihany, fa tena miditra amin’ny raharaha ara-toekerana dia zary betsaka ny tranga maneho famonoana mivantana na ankolaka. Ny mpialokaloka any anaty fitondrana toa misy manao izay haminganana ny aty ivelany, manao izay hambotriana ara-bola ny hafa noho ny fitovian-kevitra ara-politika na ny fandavana ny fiaraha-mitakosona sy tsikombakomba,… Vokany, ny vahiny miezaka mifampiaro sy mifampisintona miakatra fa isika toa mampanjaka ny politikan’ny ory hava-manana, tia mifamingana, tia manjaka tokana,… Dia atao mahagaga ve raha anjazakazan’ny vahiny i Madagasikara, ny hafa no mifehy ny harena sy ny toekerana eto satria isika mifampifahavalo. Tsy misy tia an’ity Madagasikara ity mihoatra ny Malagasy, ka raha ny mbola fifamonoana ara-politika sy ara-toekarena no hampanjakaina eto dia aleo tsy manantena na mbola amin’ny 2060 aza e ! Mila miova sy manova isika !
Toky R
fa tia an’ity Madagasikara ity tokoa ny mpitondra, nilazana fa vina sy hevitra, nanehoana fa hitondra
hoy ny hiran-drizalahy mpanakanto izay. Inona tokoa moa no hihazakazahan’ny mpanararaotra fihenam-bidy,