airtel

Edito

04-févr-2026

Tohizo ny tsara !

Aoka tsy hivaona ! Na tiana na tsy tiana,

Sample post image

afaka nisento kely teo ambany

04-févr-2026

vahoan’ny fitondrana jadona nanimba firenena sy nieritreritra tsy ho tratry ny aloka ny vahoaka Malagasy. Hatramin’izao toa mbola ohatran’ny nofinofy ilay Fitondrana mpandrefy vahoaka, mpihantsy, mpanao kolikoly, mpanao amboletra, mpanao vava tsy ambina,mpanagadra ireo tsy mitovy firehana, mpambotry ireo orinasa Malagasy ahiany haneligenlina azy, mpanao be fandroaka tamin’ny tsenambaro-panjakana tsy madio, mpanao fifanarahana maloto tamin’ireo vahiny mpambotry,… Ekena fa tsy tonga lafatra ny iainantsika amin’izao saingy misy ny finiavana, naneho tao anatin’ny fotoana fohy fa ny fanatsarana ny fitantanana dia ahazoana mahazo vokatra haingana, misy zavatra azo atao ho an’ny vahoaka fa tsy vokisana fampanantenana lava,… Misy finiavana ara-toekarena manomboka hita soritra sy efa manomboka sitrahana na tsy ny Malagasy manontolo aza no misitraka azy fa mandeha tsikelikely. Ohatra iray goavana ny hoe tafakatra 3,4 miliara dolara ny tahirim-bola vahiny eto amintsika, nitombo ny fampidiram-bola tamin’ny fadin-tseranana sy ny hetra tao anatin’ny 3 volana, niakatra 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana, novahana ny raharahan-trosa an-jatony miliara teo amin’ny Fanjakana sy ny mpandraharahan’ny solika, voavaha ny 1/3-n’ny trosan’ny mpampianatra amin’ny Fanjakana, ary eo am-pamolavolana ny fampiakarana ny « indemnité de logement » sy « indemnité de craies »,... Zavatra heverina fa sarotra izany raha refesina amin’ny telo volana, fa matoa tonga amin’izany dia misy ny finiavana, asa, fanavaozana,… Tsy midika fa tonga lafatra 100% ny Fitondram-panjakana sy ny fitantanany, fa kosa hita taratra ny fomba fiasa sy laharam-pahamehana hanatsara, hiasa, tsy hampandry adrisa,… Na izany aza, tsy azo atao ny mijery arina an-tava eo anatrehan’ny lesoka maro : tsy fangaraharana, mpanohana te hangeja ny fahefam-panjakana, mpitantana sasany manaratsy endrika ny fitondrana, mpikamban’ny governemanta hita ho tsy mahomby, ny mety fisian’ny mpamosavy malemy sy mpanipy hoditr’akondro, ny kabary misolifatra mety hanimba,… Mila mahay mamindra, mila mahay manitsy ny lesoka, mila mihaino,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

finiavana asehon’ny Fitondrana ankehitriny

Card image cap
05-févr-2026

Andron’ny fanavaozana izao.

Card image cap