Ny tsy fandriampahalemana sy asan-jiolahy na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra efa tena mampiteny ny moana ; farany teo izao tetsy Ambatomirahavavay, efa sahin’ny jiolahy ny manafika sy mamono zandary. Moto mandeha andro atoandro be izao no norobain’ny jiolahy mirongo basy teny amin’ny lalana fasan’nhy karana. Ny fanendahana sy sintomahery isam-pokontany efa tsy resahina intsony. Mahantra tanteraka ny firenena, ary maro amin’ny Malagasy no efa very fanantenana tanteraka ny amin’ny ho aviny sy ny fianakaviany, fa dia miaina ny zara fa velona avokoa ny ankamaroantsika ankehitriny. Eny, hatramin’ny fifidianana ho avy dia efa mahatsapa avokoa ny rehetra fa kely dia kely sisa ny olona mety hifidy izao fitondrana izao, nefa dia efa kivy mialoha ihany ny ankamaroan’ny vahoaka sady mihevitra fa tsy maintsy ho lany indray izao fitondrana mitondra fahantrana lalina izao.
80% ny Malagasy nefa mpino an’Andriamanitra, ary mahalala fa fahotana ny hakiviana fa tokony hametraka fanantenana mandrakariva, ary mila MINO fa ny ho avy dia ho tsara noho ny lasa ary mbola ho avy ilay maraina araka ilay hira ao amin’ny fihirana fanampiny . Antenaina arak’izany fa dia hiezaka sy hifoha isika Malagasy manoloana ny zava-misy ka tsy hanary fanantenana fa handroso hatrany amin’ny adidy tsirairay manoloana antsika.
Tahina Razafinjoelina
dia Madagasikara no hany sisa taraiky, mbola manindraindra fatratra ny firenena frantsay