airtel

Edito

22-août-2023

Edito

Tonga ny fotoana hanovana ny tantara!

Sample post image

Ora sisa isaina dia higadona ny fotoana ahafahan’ireo kandida ho Filoham-pirenena mandrotsaka ny antontan-taratasiny filatsahan-kofidiana.

22-août-2023

Hanomboka rahampitso tokoa mantsy izany, ary any amin’ny 5 septambra vao hifarana. Rehefa miresaka andro sy fotoana ihany, dia afaka 19 andro ihany koa sisa dia hiala amin’ny toerany ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina raha toa ka ho kandida. Inona no mety hiseho ao anatin’izay fe-potoana izay? Miha miakatra ny maripana politika, ary kihon-dàlana goavana ho an’ny tantaran’I Madagasikara ity fifidianana ity. Ny irariana dia handeha araka ny hiheveran’ny besinimaro azy, ka ny tena safidim-bahoaka no hivoaka eo, olona mba tena hanarina sy hanavotra ny firenena no iriana ho lany. Irariana mba hisy fanahy hitsilo ny saina amam-panahin’ny Malagasy mba tena hahay hisafidy izay tena mendrika ny hitondra ny firenena, mba tsy ho voafitaka lava, ka sanatria ho tratry ny in-droa na in-telon mahita ny maizina tahaka ny tain’omby natsentsina an-davabary. Irariana ihany koa ny hisian’ny fihainoana ny feon’ny fieritreretana ho an’ireo mpanao politika na vondron’olona mety miketrika hanao izay hisian’ny sakoroka na ra mandriaka noho ny fitiavan-tseza sy fahefana. Mampanahy mantsy ny zava-misy, mihamafy ny don-tandroka, mitombo ny ramatahora,... Sanatrian’ny vava mbola hasiana lafika ra mandriaka sy fahapotehana ve izao efa fahantrana lalina mahao ny Malagasy izao? Fotoana angamba izao hialana amin’ny kolontsain’ny ady sy ra mandriaka ka hirosoana amin’ny fiombonana sy firaisankina ka hifandray tànana hametraka tranobe iombonana, dia I Madagasikara mba ho tany soa hiadanan’ny Malagasy.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mahafehy ny zava-drehetra mikasika ny fitantanana Firenena ankehitriny io,

Card image cap
22-mai-2025

fitondràna izao hahatongavana marina ho an’ity Madagasikara ity isika mianakavy!

Card image cap