airtel

Edito

20-oct-2021

Edito

Tontolo samihafa

Sample post image

Asa na ny tontolo misy sy ny rivotra fohana no samihafa, ka dia samihafa manaraka izany ihany koa ny zavatra hitan’ny tsirairay avy eto amin’ity firenena misy antsika ity ?

20-oct-2021

 Fatratra ny fandokandokafana nataon’ny Filohana andrim-panjakana iray omaly, raha nilaza fa tena mihazakazaka toy ny lamasinina TGV ny fandrosoana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ka tsy ho tana intsony io. Tsy lavina ary tsy afaka hinia mikipa isika, fa misy tokoa ny zavatra mety tokanana sy hanaovana kisehoseho etsy sy eroa saingy ireny ve no antsoina hoe : « fandrosoana » ?. Efa adidin’ny fitondrana foana ny manao làlana, sekoly, hopitaly,… ary samy nanao izany daholo ireo Filoha nifanesy tao anatin’ny 60 taona. Raha izany no hifandrefesana tsy mbola ity Fanjakana ankehitriny ity no sangany, saingy mety ho fahalemen’ny hafa ny tsy nanao serasera sy “werawera” manaka-danitra. Tena manao « Vitesse TGV » makany aloha ve ny fari-piainan’ny Malagasy ? Iny efa nivoaka iny ny tombatombana momba ny fiakaran’ny harin-karena tamin’ny taon-dasa izay miiba -6,1%. Mbola tsy tafavoaka tao anatin’ny krizy anefa isika ary toa vao mainka milentika, maro ny endrika krizy, bokan-trosa ny fitondrana, mandeha ny fitakiana amin’ny endriny maro,… Ho an’ny miadam-pinaritra eo ambony seza fiandrianana, tsy mba miaina ny iainan’ny vahoaka, migalabona sy manao fiainana amin’ny volam-panjakana,… dia tena mahita fa mihazakazaka ny fampandrosoana satria mety mitombo ny ambaindain’ny hareny. Ho an’ny sarambabem-bahoaka kosa ny hoanina anio tadiavina rahampitso. Lojika ny fandokafan’ny ao anaty fitondrana ny Filoha ho an’ny mpomba azy, saingy mila lanjalanjaina. Sao mantsy vao mainka kosa poizina sy fijerena harina an-tava ka sady voafitaka ilay Filoha no mitombo ny fiantraika ratsin’ny tolo-tsaina atao aminy any amin’ny vahoaka. Izay no tsy ampy ao anatin’io fitondrana io, tsy misy olona sahy manitsy ny tsy mety, ary masiatsika raha miteny ilay voambolana hoe : « fisolelahana » no betsaka. Lasa diso mahatoky tena tsy ho voaozongozona satria efa nahazo lesona tamin’ny 2009 ny mpanao politika sy ny vahoaka ka tsy hidi-kizo amin’izany fanonganam-panjakana izany. Betsaka no lasa manaonao foana, tsy maty manota,… Raha mitohy anefa, hono, ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, ary ny làlana ihany koa no tsy asian-dratsy dia tahotry ny mbola hiverenana!
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap