airtel

Edito

15-mars-2024

Toton’ondry bory !

Miharatsy endrika hatrany amin’ny lafiny maro isika :

Sample post image

demokrasia, fanjakana tan-dalàna, firenena tsara tantana,

15-mars-2024

sosialim-bahoaka, toekarena,… Fositra ny fiheveran’ireo antokon’olona mitantana ny firenena, fa azy ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Mihevitra sy manasokajy tena ho tompon’i Madagasikara rehefa dinihina, ka mieritreritra fa tsy misy mahatohitra sy mahaskaana izay tiany hatao, fa dia malalaka amin’ny zava-drehetra. Inona tokoa moa ny zava-doza sy tsy fanjariana hita sy nitranga tao anatin’izao fitondrana izao fa moa tsy vitavita ho azy ny ankamaroany. Sehoseho sy endrika ivelany ny hoe : ady amin’ny kolikily, fampanaovana fianianana ireo minisitra,… fa ny sary efa hita sy nitranga, dia betsaka ireo olom-panjakana miedinedina sy mieritreritra tsy ho tratry ny aloka ka mampiasa amin’ny fahefany hangoronana harem-pirenena, ao ny mialokaloka ao ambany zo tsy azo henjehina ka ny efa manao ny tsy mety no avo vava,… Toa tsy misy arofanina politika intsony satria ny fanao eto, dia ampiasana basy aman-tafondro miaraka amin’ny fandrangarangana fanagadrana na tataovana sazy mihantona izay sahy mitarika vahoaka hijoro. Mahery vaika ny fampanekena fa izy ireo no tsy maintsy omem-pahefana na betsaka aza ny mety ho tsy fahamarinana miharihary. Io izao fa hiditra amin’ny fifidianana solombavambahoaka isika, dia tena izay maha diavolana ny sain’ny mpitondra mihitsy no ataony amin’ny resaka antoka ara-bola, famerana ny isa, famoahana didim-panjakana,… Ny hampitombo ny ambaindain’ny fahefana hatrany no himasoana, ka na efa misy aza ny fipoahana ara-tsosialy samihafa ateraky ny tsy fahaiza-mitantana sy tsy firaharahiana vahoaka, dia toa tsy mahataitra sy tsy maharototra ny mpitondra. Toa efa tsy handairan’ny balan’ny tsikera sy ny fanoherana intsony, fa tena efa mifono vy araka ny fomba fiteny amin’ny alalan’ny politikan’ny toton’ondry bory ? Izaho olana sy fahoriam-bahoaka any hamoramoraina amin’ny fampanantenana lava sy ny filazana fa Madagasikara tsy maintsy mandroso, fa ny zava-dehibe na iza ho fatin’ny hanohanana sy fahantrana na iza ho velona fa mitsipozipozy, dia ny fahefana eo am-pelantanana hatao hena an-tanan-tsaka no lohalaharana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap