airtel

Edito

18-janv-2022

Edito

Toy ny tany miady

Sample post image

Araka ny efa nanampoizana azy. Fihetsiketsehana izao hita tao Andekaleka tao izao, herinandro hatramin’ny omaly izay. Inona akory anefa no teo?

18-janv-2022

 Vao mainka nitombo ny fahamaizinana nanerana ny tanana. Raha mba fahamaizinana tsy mitondra takaitra amin’ireo seha-pihariana sy fiainana takiana amin’izao vanim-potoana izao moa maninona? Ny olana dia voadona avokoa na ny toekarena na ny sosialy sy ny asa aman-draharahan’olona maro, araka ny efa nitaterana azy teto, ao anatin’ilay zava-mitranga. Toy ny tany miady ilay Madagasikara mbola tsy nandalo izany toerana izany hatramin’izay naha repoblika azy. Na ny tany avy nandalo ady aza tsy miaina fahantrana lalina mihoatra ny vahoaka ao aminy amin’izao fotoana maha miiba ny harinkarena ho -7% mahery izao eto amintsika izao. Mbola sahy ihany ireo mpitondra sy mpiaradia aminy milaza fa mandeha ny fampandrosoana, hoy ilay solombavambahoaka iray izay. Tokony hampitoviana angamba aloha ny famarintantsika ilay atao hoe “fandrosoana”, hoy ny tekinisianina? Mandroso tokoa ve no ilazana ny firenena feno vahoaka mahantra, noana, tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny atsasa-manilany, tsy mandry fahalemana, tsy mahatosika ny filana angovo toy ny rano sy jiro nefa any amin’ireo firenen-kafa tena henatra tsy hita noanoa izany hoe mampiaina ny vahoakany ao anaty aizina izany? Toy ny raisina ho fahotana mihitsy izany any Japon. Mampiondrika isaky ny minisitra naha tapaka ilay herinaratra. Vao taona vitsy lasa izao tontolo izao no nahita iny minisitra tomponandraikitra tany an-toerana niondrika 20 minitra iny satria tapaka tao anaty 20 minitra ny herinaratra. Ny antsika eto toa ny olompirenena mimenomenona sy mitsikera ilay izy indray no toa mahazo tsiny nefa efa sady manjifa fa tsy hoe misitraka maimaimpoana ilay izy? Hafa indray mantsy raha izay no fipetrany. Nantenaina mba ho fanombohan’ny vahaolana moa iny omaly iny saingy ireny niaraha-nahita ireny hatreto ny zava-nitranga. Toa toy ny tany miady… miady mafy amin’ny haizina !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap
26-mars-2024

niorina tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, raha izay no azo ilazana azy.

Card image cap