airtel

Edito

01-déc-2022

Edito

Tratry ny bemanaiky ?

Sample post image

Mba mahavalalanina sy mampametra-panontaniana ihany ny zavatra manjo ny Malagasy ankehitriny eo anatrehan’ny tsy fahombiazam-pitantanana sy ny zava-doza samihafa afitsoky ny mpitondra ankehitriny hoe:

01-déc-2022

tena tratry ny bemanaiky ve ny vahoaka ka na inona na inona miseho toa zakany hatrany? Mandeha fampanantenana poakaty, fanonganam-panjakana nampanantenana paradise nivadika fitotonganana ara-toekarena sy ara-tsosialy ary fahantrana mangitsokitsoka,… fa zakany ihany. Mandeha fifidianana tsy azo antoka sy voalaza fa feno hosoka ekeny ihany na mimenomenona aza izy. Mandeha vidin-tsolika midangana any amin’ny 43% ny fiakarany izay nahatratra 1800Ar isaky ny litatra fa zakany sy ekeny ihany fa mimenomenona kely fotsiny izy. Mandeha halatra bevava sy kolikoly tsy hita pesimpesenina ataon’ny mpitondra sy manam-pahefana samihafa fa vitavita ho azy eny. Mandeha ny fanagadrana mpaneho hevitra sy mpanohitra izay isan’ny nanenjehana ny hafa sy natao fitaovana nanonganam-panjakana tany aloha, fa toa ekena eny hatrany. Asa hoe: mandaitra ve ny fandemen-tsaina manara-penitra toy ny filazana fa resy lahatra amin’ny asa fampandrosoana ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny vahoaka matoa tsy mihetsika? Sa kosa efa malemin’ny fampahantrana sy fanabadoana manara-penitra ka dia manaiky lembenana satria efa malemy sy osan’ny fiainana? Raha mpitondra sy mpitantana hafa ve anefa no teo nangina fotsiny amin’ny mety tsy ho fahombiazan’izay teo sa efa nandeha indray fandrehetana afo entina handrombaham-pahefana eny an-dalambe? Rehefa nandrodana ny hafa izay teo tamin’ny fomba mivantana sy ankolaka dia tokony hahavita tsara kokoa noho ireny, saingy hatreto toa fihemorana hatrany no hita taratra. Tsy miantso ny hisian’ny korontana na mitarika ny vahoaka hikomy fa kosa manaitra ihany hoe: tena manaiky handairan’ny bemanaiky manoloana ny efa zava-doza manjo ny firenena sa mba hifoha ho tompon’ny ampitson’I Madagasikara tokoa? Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap