airtel

Edito

11-nov-2021

Edito

Tratry ny tati-bilana !

Sample post image

Milamindamin-dratsy, ka toa tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik’alika ny toe-draharaha ara-politika eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ankehitriny,

11-nov-2021

 raha toa ka miha mahery vaika hatrany ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena. Mifamatotra sy mifameno hatrany amin’ny politika anefa ireo lafin-javatra ireo. Raha toa ka mandrimandry manana aretina ny Malagasy, toa mitsilabolabo manao izay ahazoana aina toy ny kibobo voafandrika sisa satria malemy sy osan’ny fahantrana, dia mbola sahy milaza ny mpitondra sasany fa mihazakazaka ny fandrosoana. Mbola mahalasa saina hatramin’izao ny nandre solombambahoaka iray sady lehibena andrim-panjakana iray volana latsaka teo izay. Ry zareo natao “hisolo vava ny vahoaka” eo anatrehan’ny zavatra manjo azy, natao “hanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka” indray no sahy nilaza ampahibemaso fa mihazakazaka manao “vitesse TGV”, hono, ny fandrosoana ary tsy ho tana intsony. Ilaina ny firehana sy ny fironana politika, ary lojika ny mety ho fiarovana antokon’ny tena, saingy ny famadihana ny mainty ho fotsy kosa, dia mety efa tafahoatra e! Izay izany ny fahitan’ny mpiara-mihinana ao anaty fitondrana, betsaka anefa no toa mamahan-dalitra sy misolelaka amin’ny Filoha ka dia tena sahy mijery arina an-tava. Ny hany asesika sy hampitaina dia ny hoe: milamina ny zava-drehetra, afa-po ny vahoaka, mihazakazaka ny fandrosoana,… eny, tonga hatrany amin’ny hoe : mahatokisa ianao anay fa mbola ho voatazontsika ny fahefahana amin’ny 2023. Mety tatitra diso no tonga, mety toky fitaka,… hany ka mivaona tanteraka amin’ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena. Toa tsy misy elanelam-panahy intsony, toa tsy mba te hihaino ny hafa intsony,… ary diso mahatoky tena loatra ary mety efa milentika ao an-tsaina ny hoe: tsy maintsy mbola ho izahay no eto na ho vy na ho vato. Ny mahery tsy maody, hono, anefa tsy ela velona. Ahafahana manatsoaka lesona foana ny tantara nisy teto, ary ny nataonao ny hafa ihany no mety hiverina aminao sao hihevitra fa ianao foana ny mafy sy afaka manao don-tandroka mandrakizay? “Tsy misy ho afa-maina, ary tsy misy ho afa-maina, fa izay nafafy no hojinjaina”! Efa mandeha ny kajy politika, ny tambitamby ho an’ireo heverina fa manam-pahefana eny ifotony mba hanambitamby ny eny ambanivolo fa ny volomboasary ihany ny antsika amin’ny 2023, ny don-tandroka, bodongerona,... Efa lasa lavitra ny saina sy ny fijery, saingy mba jereo ihany ny ambany maso sy politika avo lenta miainga mialohan’izay sao ho diso fanantenana noho ny tati-bilana lava eo e !
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap