airtel

Edito

04-mars-2022

Edito

Tsabo sivy

Sample post image

Toy ny isan’andro! Ny tarehimarika sy ny toerana fotsiny no miovaova sy miverimberina fa ny fehiny aloha hatreto dia ny eo ihany no eo.

04-mars-2022

 Maso mahita io fa tsy sofina mihaino fotsiny intsony na hoe mandre tsilia. Mbola mety hitombona ve ilay lokaloka hoe tsy hanao politika intsony raha tsy vita ny lalam-pirenena faha 13? Tsy efa tokony hanoro ilay toerana tokony hanaterana ny fakon’ny mponin’Antananarivo izay nambarany fa azy amin’izay ve ny ben’ny tananan’ity renivohitry ny firenena ity? Inona moa izany na koa hoe inona intsony no misongadina mitondra vokatsoa tsapam-bahoaka mivantana vitan’izao fitondrana izao, na tao anatin’izay 3 taona izay io na tato ho ato? Miantso fanampiana dia mandray fanampiana dia mizara fanampiana. Izay amin’ny ankapobeny no andavan’androm-piainan’ireo fahefana mpanatanteraka eto amin’ny firenena. Tsy isaky ny misy voina ihany io fa saiky mandava-taona mihitsy tao anatin’ny 3 taona nifanesy. Mbola mitombona ve ilay hoe tsy maintsy vita ny velirano rehetra, raha ny mikasika ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena izay voafetra ho 5 taona no resahana? Iza moa izao no tsy maharaka fa tsy mazava hatrany am-piandohana ny politikan’izao fitondrana izao sy ny vinany. Lojika be etsy ankilan’izay raha mandroso mihemotra koa amin’izao fotoana izao ny fanapahan-kevitra mikasika ity ady mbola tsy voafaritra ho iraisampirenena fa efa mitana ny sain’izao tontolo izao ity. Izay moa no fanazavana ara-miaramila voaray momba azy io. Hiandany sa tsy hiandany? Na dia efa fantatra izao aza fa ho maty raibe na renibe foana raha hiditra amin’izay fiandaniana izay dia mbola iny niseho omaly iny ihany koa ny tsy fahatokisan-tena manoloana ilay fanapahan-kevitra hijanona ho mpanelanelana. Efa samy noraisin-tanana sy niaraha-niasa rahateo moa tsinona ny hery rehetra, raha ny fanazavan’ny praiminisitra azy izay ka dia enga anie mba hitontona any amin’izay tsy mampijabaka ny tena fanapahan-kevitra farany, raha sanatria mbola hivadi-kevitra indray. Mitady ho lasa tsabo sivy tanteraka izy izany ka dia aleo izany mifampitrotro am-bavaka eny ihany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap