airtel

Edito

08-juin-2022

Edito

Tsipaky ny miala aina !

Sample post image

Mitaintain-dava tahaka ny sahobakaka ambodiriana sisa ny Fanjakana ankehitriny. Tsy mety marin-toerana hatramin’izao, ary manahy mafy amin’ny ho avy politikany.

08-juin-2022

Izay atao toa maneno sahona avokoa, ambany lavitra ny fahombiazana mitaha amin’ny olana samihafa, ka isan’ny lesoka goavana ny tsy fahaiza-mitantana. Voizina ankehitriny fa raha tsy nisy ny valanaretina sy ny ady any Ukraine mba efa nahavita asa betsaka izao fitondrana izao. Zary mpanilika ny tsy fahombiazana any amin’ny olana mandalo. Samy niaina an’ireny ny firenen-drehetra fa ny antsika irery no mihazakazaka ho gisitra. Ny tena mahatofoka, miavon-tsy feno ny fitondrana izay toa tsy ambony tsy ambany, tsy velon-kantenaina kanefa tsy maty hafoy fa mitsipozipozy mandavan-taona, toa hanao tsipaky ny miala aina hifikitra amin’ny fahefana. Ara-toekarena anefa tsy misy hafitsoka, ara-diplaomasia maivan-danja, ara-tsosialy vao mainka fasana hoy ny tanora. Ny tsindry etsy andaniny miha mitombo, ny fanjakana miha mihen-danja, saingy manambony moraly sisa, kanefa toa tahaka ny kibobo voafandrika ka ny mitsilabolabo sisa hahazoana aina. Ny sehatra iraisam-pirenena toa efa mahatsapa fa tsy azo hihodivirana ny dinika politika sy ny fikaonan-doham-pirenena. Mijery tsara fa miakatra ny daozin’ny tahotra ara-politika ka ny fandrangarangana hery sisa hianteherana kanefa dia ho ratsy indray ny naoty amin’ny demokrasia, tsy hiposaka ny famatsiam-bola,… Ireharehana fa ho avy ny Arabo be vola hanatanteraka ny velirano saingy hisy tena sahy hijoboka hampiasany volany ao anaty tsy fahamarinan-toerana ara-politika ve? Inona no tambiny amin’ireny sa hotohizana ny famarotan-tanindrazana na sanatria harem-pirenena tsy toko tsy forohana no tambiny? Ny olana miha mitombo sy tena hitombo, saingy tsy tena hita ny paikady hiatrehana an’ireny fa dia miandry izay higadonany. Ny trangam-piarahamonina hafahafa tsy voafeehy, ny vidin-tsolika toa tsy azo hihodivirana ny ho fidangany, ny vidin-javatra tsy mitsaha-miakatra, ny delestazy tsy mety mivahana,… Hahafaha ihany ny mahita sy mandre ny Filoha milaza hoe: “resy lahatra ny tenako fa ny nomerika no lalana tokana hahatrarana ny fampandrosoana”. Zava-dehibe izany, ilaina ny teknolojia amin’ny fanatsarana ny raharaham-panjakana. Fa moa mba tsaroany sy tadidiny ve hatreto zara raha 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra izay sady lafo no tsizarizary amin’ny delestazy mandavan-taona misy foana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap