airtel

Edito

12-sept-2022

Edito

Tsipaky ny miala aina

Sample post image

Hikoha-maina tokoa aza moa atao maika fa misy sery hanilihana. Miakatra ny daozin'ny vava tsy ambina ara-politika vao vory vahoaka kely.

12-sept-2022

Raha atao anefa ny kajy, 10% tamin'ny nampanantenaina no tanteraka raha be indrindra. Hatramin'ny akama mpiara-misaika fahiny no miaiky sy milaza ankehitriny fa nitombo ny tahan'ny mahantra, nitotongana ny toekarena, ka tsy afa-miala ny Fanjakana na inona na inona holazaina. Tsy arakaraka ny vava be ny vokatra, miharatsy ny sary politika, mampanahy ny ho avy,... Tsy marin-toerana ny toe-draharaha politika, mitombo ny fanehoan-kevitra mahery vaika, manangam-bovona ny Fanjakana saingy tsy hery fa tahotra. Ambony ny tsindry na ato anatiny na iraisam-pirenena. Mody mipetra ho lasibatra rehefa mafy ny ady, mamorona atsanga tsy aman'orana, mitady izay fomba hanodinana saim-bahoaka andro aman'alina,... Tonga hatramin'ny fampitenenana ny manam-basy tsy rony tsy ventiny eo. Tsy vitan'ny mampihorohoro, manao don-tandroka kanefa mbola tsy mahatoky tena, eny efa manao tsipaky ny miala aina. Miharatsy ny tsio-drivotra politika, mihasarotra ny toe-draharaha, efa manisa volana sy andro ny rehetra hitsimbadihan'ny tantara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap