airtel

Edito

06-févr-2024

Tsy afak’olana !

Ny omaly tsy miova tahaka ny volan-kakafotra ny

Sample post image

fiainan’ny Malagasy hatreto. Ny mpitondra manamafy ny sezany,

06-févr-2024

lany andro mihodinkinkodina am-pitoerana fa tsy hita izay vokatra sy fahombiazana, fa ny vahoaka kosa miha milentika ao anaty fahasahiranana. Inona tokoa moa izao ny zavatra tsy mampikaikaika ny maro ? Ny vidim-piainana miha midangana andro aman’alina. Lazaina fa ezahina tsy hihoatra ny 7,7% ny tahan’ny sondro-pidim-piainana amin’ity taona ity fa moa tena araka izany ve ny zava-misy? Nandeha ny fitanisana zavatra maro ao anatin’ny Programa ankampoben’ny Fanjakana, izay tena mirarakopana. Fa moa vao izao ve no nanolotra PGE fa efa nisy tao anatin’ny 5 taona voalohany dia nanao ahoana ny vokatra? Moa tena misy ny hoenti-manana hanatanterahana ireo zavatra notanisaina sa dia fombafomba fotsiny hoenti-maneho fa misy ny programan’asa. Betsaka aza no zavatra efa notanisaina tany amin’ny propagandy 5 taona lasa no miverina, fa ny firesahana azy no mety novaina kely. Hatreto, ny politikan’ny ala olana sy ny seho ivelany no mirarakopana, hany ka tonga hatrany amin’ny fananganana rafitra maro ho eo ambany soroky ny Filoham-pirenena mba hanehoana fa miasa sy manao zavatra. Foronina avokoa izao sekreteram-panjakana samihafa izao izay raha hatambatra ny olona handrafitra azy dia mety mifanahantsahana na mihoatra ny isan’ireo mpikamban’ny parlemanta roa tonta aza. Any amin’ireny no mahaseriny, fa ny olana ifoton’ny vahoaka adino, ka ampahan-javatra no hanaovana serasera fa tena miasa. Izay tena vahaolana mahafaobe ho an’ny Malagasy mba hahafahany tena mivelatra sy miala ao anatin’ny fahantrana kosa tena mbola lavitry ny kitay ny afo. Ny toekarena mitolefika, ny sosialim-bahoaka mandohalika, ny fahalasamam-bahoaka tandindonin-doza noho ny zava-misy ato anatiny sy ny mety hidiran’ny valanaretina avy any ivelany,… Tsy vitan’ny sehoseho ivelany sy ny serasera intsony izao, fa tena mila politikam-pitantanana mahomby sy asa mivaingana mipaka amin’ny valalabemandry raha tena niomana sy vonona hitondra firenena tokoa !
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap