airtel

Edito

20-mai-2026

Tsy afo fandiovana io !

Sarotra ny hanarina ao

Sample post image

anatin’ny 7 volana

20-mai-2026

 

ny zavatra lo tao anatin’ny fotoana maro, hoy ny Filoham-panjakana ankehitriny, raha niresaka toe-draharaha ankehitriny izay maneho fa tsy mora ny làlana hivoahana ao anatin’ny olana misy. Fampitahana ataon’ny mpanao politika, ny mpanara-baovao, ny olom-pirenena rahateo ny hoe nanao ahoana ny fitondrana teo aloha tao anatin’ny 7 taona sy ny amin’izao tao anatin’ny 7 volana ? Na tiana na tsy tiana tokoa aloha, dia nisy ny finiavana nanova ny fomba fiasa, nisy finiavana nitodika kokoa tamin’ny tombotsoam-bahoaka,… saingy tsy midika ho nety sy nahomby 100%. Misy aza ny olom-pirenena na mpandinika milaza fa somary niha nivaona tsikelikely ilay fanavaozana fa somary naneho ny fahadisoam-panantenany,… Tsy midika ho fankahalana be fahatany na tsy fankasitrahana mandehandeha ho azy ireny fa mety ho fijery mahitsy sy tsy te hanan-dratsy, fa izay ilay ilàna fijery mahitsy, fanetren-tena, finiavana hanitsy ny tsy mety. Hiroso amin’ny antsoina hoe fikaonandoham-pirenena isika, izay nanomezana fitokisana lehibe an’ireo Raiamandreny am-panahy ho elanelam-panahy, hitondra ny rivotry ny firaisam-pirenena, fiombonana, fanavaozana,… Tsy vita moramora anefa io, betsaka ny zavatra tsy maintsy jerena, maro ny mety fandeferana tsy maintsy atao,… Tsy midika ihany koa anefa fa ny fikaonandoham-pirenena dia ho afo fandiovana hamafa ny helok’ireo nanao tsy nety tamin’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy. Tsy midika fampihavanana politika araka ny fiheveran’ny sasany aza, fa betsaka ny olom-pirenena no maneho fa tsy misy fifamelana azo atao raha toa ka tsy misy ny fihaiken-keloka, fahamarinana,… Mila maka lesona amin’ny sarintsarina famahana krizy politika napetraky ny vahiny teto ihany koa, izay tena tsy namaha ny olan’ny Malagasy fa nanarontsarona fotsiny ny olana lalim-paka mitohy ho krizy mandrak’ankehitriny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-mai-2026

ny fipetraka sy firafitry ny tranga mpiseho

Card image cap