airtel

Edito

23-févr-2024

Tsy ahitana mangirana!

Ambara ho manana fankahalana be

Sample post image

fahatany moa ny mpanohitra ankehitriny rehefa maneho ny heviny manoloana

23-févr-2024

ny zava-miseho maro izay efa hita miharihary fa tsy miafina eto amin’ity firenena ity. Iza tokoa moa no tsy nahita fa nanjaka, ohatra, ny trafikana andramena na «bois de rose» tao anatin’ny tetezamita 2009-2013? Ahoana no inoana mora foana fa fanomezana an-kitsi-po izany fiara tsy mataho-dalana miisa 350 be izao izany? Nandeha teo daholo ny raharaha «Bonbon sucette», ny «ecran plat», ny satro-boninahitrana mpanjaka, ny volamena 73,5kg, ny resaka verin-droa amin’ny fifidianana ary ny sehatra iraisampirenena izao mihitsy no efa nanome naoty fa very laharana miisa 40 be izao isika, nisy fotoana, teo amin’ny resaka falalahana maneho hevitra. Toy izany koa ny hoe ity firenena ity no manana renivohitra maloto indrindra aty Afrika, faha 3 eto ambonin’ny tany. Lasan’ny sinoa vao omaly ny tany nonenana malagasy 15 tafo mahery be izao. Dia mbola misy miandany amin’ireo teratany vahiny ihany nefa efa miha tonga amin’ny nambaran’ilay raiamandreny lasan-ko razana tsy ela izay izy ity hoe ny hiafarany tsy hisy ipetrahan’ny tongontsika intsony ity zava-misy ity. Mbola mitohy ihany any rehetra any, rehefa eto amin’ity Madagasikara ity, ny fanapahan-dohan’olona sy ny tahaka izany rehetra. Ny fako mbola misavovona eran’ny tanàna. Manjaka ny dahalo, indrindra, any ambanivolo. Toy izany koa ny tsy fandriampahalemana. Tsy ahitana mangirana tato anatin’ny 15 taona ny fiainam-pirenena rehefa tena tomorina akaiky ny zava-misy rehetra nefa dia mbola misy sahy milaza ihany fa mandeha io! Ny rano miakatra isam-paritra sy eny ambany tanàna rehetra eny izany moa dia mbola ny fandaniana andro amin’ny fampitahana hoe tsy vao izao ihany fa efa tamin’ny andron-dRanona sy Ranona no nisy an’io no maha maika fa maninona no tsy izay vahaolana maharitra no tena tadiavina amin’izay eto amin’ity firenena ity? Tsy ahitana mangirana! Izay aloha no azo ilazana ilay fiainam-pirenena hatreto ary tsy miafina izany fa miharihary eny amin’ny fiarahamonin’ny malagasy maro an’isa eny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap