airtel

Edito

26-juil-2022

Edito

Tsy atokisana intsony

Sample post image

Rehefa mandinika ny fanehoan-kevitr’ireo heverina fa olobe sy olon-kendry eto amin’ny firenena tato ho ato na koa hoe ireo heverina ho raiamandreny eto amin’ny firenena saingy ivelan’ny fitondram-panjakana dia lasa ny saina.

26-juil-2022

Tafiditra ao anatin’izany sokajin’olona sy rafitra voalaza teo izany moa izany, ohatra, ry zareo eo anivon’ny FFKM, ny CFM, ny SECES, ny sasantsasany amin’ireo ampanjaka. Raha ny fananarana sy fanairana, izany hoe, ny lafiny ara-moraly hatramin’izay no nandrasana amin’izany fanambaran’ny FFKM izany, toy ny hoe mila jerena, ohatra, fa miha mitombo ny mpanolana eto amin’ny tanana na miha mirongatra ny tsy fandriampahalemana na ny mpifoka rongony na ny tanora miteny ratsy ka manainga ny mpitondra, ohatra, mba handray ny andraikiny manoloana izany, dia tsy tahaka izay mahazatra izay intsony no endriky ny fanambaran’ireto lehibena fiangonana Kristianina efa-dahy ireto farany teo. Aza manahy fa mijery antsika i Jesoa Kristy Tompo, hoy izy ireo. Tsy natodik’ireto mpitondra fivavahana ireto tany amin’ny mpitondra fanjakana intsony noho izany ny tokony hipetrahan’ny fitokisan’ny vahoaka fa avy hatrany dia tany amin’ilay mpahary. Maha ketraka ny saina sy fo marefo ny maheno karazana fampaherezana toy izany satria matetika dia any anaty famangiam-pahoriana izany no heno. Ohatry ny hoe tsy misy azo atao intsony fa lalana tsy maintsy diavin’ny miankandrefam-baravarana rehetra ity fa dia mahaiza mionona tompoko mba tsy hilazana hoe efa lahatra ho antsika ity fahantrana ity. Toy ny nodisoin’ireto raiamandreny ireto ilay filazana taloha izay hoe tsy lahatra akory ny fahantrana. Na ny filohan’ny SECES koa aza moa omaly dia nanao antso toy izany hoe mivavaha ho an’ny firenena fa tsy misy antenaina intsony amin’ity fitondrana ity. Ny CFM niantso fifampidinihana. Ny fikambanana, antoko politika, olon-tsotra, ny rehetra, hoy ny nambaran’ireo mpamakafaka sy mpanao politika izay samy resy lahatra fa tsy misy na inona na inona mandeha intsony eto. Izany rehetra izany no mibango tokana fa tsy atokisana intsony izao fitondrana izao raha hamoaka samirery ity firenena ity ao anatin’ny fahantrana lalina mianjady aminy. Miandry fifampihainoana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap