airtel

Edito

21-oct-2022

Edito

Tsy azo antoka

Sample post image

Fanamby nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina teo anatrehan’ireo mpanapa-kevitra ara-toekarena sy rafitra manan-danja aty Afrika, Eoropa, ary ny avy any amin’ny Golf izay nandray anjara tamin’ilay Choiseul Africa

21-oct-2022

Business Forum tatsy Maraoka ny hametraka an’i Madagasikara ho toerana hiroboroboan’ny fandraharahana na « territoire d'opportunités d'affaires ». Naneho fa misokatra midanadana ny varavarana ho an’ireo mpampiasa vola, ary nampahatsiahy fa nisy ny fanavaozana ho an’ny orinasa nataon’ny Fanjakana Malagasy hanamorana sy hanohanana ireo mpampiasa vola. Noresahina ny resaka fizahantany, ny tanjona goavana momba ny angovo,… Tsara hatrany ny manamarika sy mampahatsiahy, fa isan’ny takian’ny mpampiasa vola ny fandriampahalemana ho an’ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires”, ny resaka fanjakana tsara tantana na “bonne gouvernance”, ny fitoniana politika, ny ady amin’ny kolikoly, ny resaka angovo,… Ny inona amin’ireo no voafehin’ny Fanjakana Rajoelina? Inona ny afera maloto tsy mandeha eto, izay saika ny mpitondra no voatonona matetika? Ratsy avokoa izany amin’ny ankampobeny. Porofo mivaingana io fangoronan’entan’ny Masoivoho Norvezianina eto amintsika io satria isan’ny sarotiny amin’ny kolikoly, fanjakana ratsy tantana,… ireo. Ara-politika, isan’ny hita taratra tao anatin’iny dian’ny Filoha iny tany ivelany ny fisian’ireo mpandraharaha matanjaka eto amintsika, izay saika ireo karana ny ankamaroany. Maro no manombatombana sahady fa dia ireny no ho isan’ny mpamatsy amin’ny fifidianana 2023!
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap