airtel

Edito

10-mars-2023

Edito

Tsy fahombiazana tanteraka

Sample post image

Efa voafaritra sahady ny teny tokana azo hanambarana ny zava-bitan’izao fitondrana izao tao anatin’izay 4 taona

10-mars-2023

mahery izay ary sarotra ny hino hoe hitsimbadika izany mandra-pahafeno ny 5 taona nofaritan’ny lalampanorenana hipetrahany eo. Tsy fahombiazana tanteraka! Izay no hany azo ilazana azy. Tsy nahomby ny tetikasa fampandrosoana amin’ny ankapobeny na ny momba ny lalana io na ny tanana vaovao na ny fitaovam-pitaterana toy ny tramway sy teleferika. Tsy nahomby ny paikady napetraka momba ny fandriampahalemana. Olon-doza nanapa-dohana olombelona mitovy aminy aza sahy mampiseho ny zava-bitany amin’ny tambazotran-tserasera. Ny resaka sosialim-bahoaka moa na dia natao aza ny tosika sy ny vatsy tsinjo sy ny tariny rehetra dia vao mainka io mampidangana vidim-piainana io. Na ny lafin’ny toekarena sy famokarana aza matiny satria lasa toy ny laharam-pahamehana hatramin’ny fanafaram-bary. Ny tena zava-doza dia ny tsy fahombiazan’ny fanabeazana eto amin’ny firenena. Fikorosoham-pahan’izany aza no miseho ho lany. Iza moa no mpanabe tsy miaiky fa ny fari-pahatakaran’ny ankizy ankehitriny dia nidina ambany dia ambany? Miala amin’ny fanitsakitsahana ny antsoina hoe “franchise universitaire” na tsy fanajana ny faritry ny oniversite ny fitondrana dia miditra mihitsy indray amin’ny fanakatonana sekoly ambony miankina amin’ny fanjakana mihitsy. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona kosa angamba izany endrika tsy fahombiazana tanteraka rehetra izany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap