kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo nilaharana ireo tolotolotra sy kitsinjotsinjo mahazatra fanaon’ity fitondràm-panjakàna ity. Midika izany fa na marobe ireo tsy an’asa, na tsy ampy ho an’ny fiveloman’ny ankamaroany ny karama raisiny isaky ny fiafaran’ny volana. Antananarivo eto no resaka. Renivohitr’i Gasikara! Maika moa izany fa ny any ambany ravinkazo rehetra mbola tsy ao anatin’ireo lazaina fa 13% misitraka herinaratra ireo akory? Mba azon’ireo tandapa sasany migalabona anaty volam-bahoaka ireo an-tsaina ve ny fahasahiranan’ny malagasy maro an’isa amin’izao fotoana izao? Iza moa no tsy mahalala fa mirongatra any ny tsy fandriampahalemana? Hatramin’ny ampela hioty ravim-boamanga avy no misy manolana eny an-tsaha. Manjaka ny vono olona. Lasan’ny dahalo hatramin’ny voly eny an-tsaha. Ny ety an-drenivohitra moa dia io iaraha-mahita io ny fitarainana saika isan’andro mikasika harom-paosy eny amin’ny fiantsonam-piara fitateram-bahoaka eny. Toy izany koa ny sinto-mahery. Ny karama efa manodidina ny 5 taona no tsy nisondrotra. Ny vidim-piainana sy vidin-tsolika nefa miakatra hatrany. Etsy ankilany ny fitondram-panjakàna dia ireharehan’ireo mpanaradia azy fa mitsinjo vahoaka satria mizarazara hatrany ireny kitsinjotsinjo sy famenomeno ireny na dia tsy mahavita mamorona asa ho an’ny vahoaka mba hisian’ny fivelomana maharitra ho azy ireo aza. Ny orinasa sasany efa nitsangana nitsahatra hatramin’ny 2009 no ho nankaty aza no mahonena ny miheritreritra azy. Mampanontany tena mandrak’ankehitriny hoe dia hanao ahoana izany ny tohin’ny fiainan’ireo very asa tao anatin’izay vanim-potoanan’ity fitondrana niorina tao anatin’izay 16 taona lasa mahery izay ity? Dia ionona anaty tsy fanjariana ireharehana toy izao foana ve izany? Tsy fanjariana ireharehan’ny mpitondra sy mpanaradia azy ihany nefa.
J. Mirija
fa tia an’ity Madagasikara ity tokoa ny mpitondra, nilazana fa vina sy hevitra, nanehoana fa hitondra
hoy ny hiran-drizalahy mpanakanto izay. Inona tokoa moa no hihazakazahan’ny mpanararaotra fihenam-bidy,