airtel

Edito

06-nov-2023

Edito

Tsy hery fa tahotra ! Mizotra any amin’ny politikan’ny

Sample post image

fampiasan-kery tanteraka ny Filoha teo aloha sy ekipany izay mbola mijanona ho

06-nov-2023

rambondrambom-pahefana navelany, ary heverina fa mitanila tanteraka aminy. Famoretana sy fampitenenana ny herin’ny basy sisa no hitany fa vahaolana hampanekena ny tsy rariny, hampisotroana ny rano tsy tiana ny vahoaka, hanaovana tian-kano tsy tian-kano amin’ny fifidianana, hampanjakana hatrany ny tsy maty manota, hanarotsaronana ny zava-dratsy maro mety hamatotra aoriana,… Raha mpitondra sy mpanao politika mahatoky ny valerany sy mbola mihevitra fa mamim-bahoaka dia tsy hanan-tahotra na kely monja aza ny fanadiovana ny fifidianana, fa matoa manao izay faraheriny mampanaiky ny tsy azo ekena tahaka izao, dia ao raha ! Mbola sahy hilaza ihany ve fa milamina ny firenena, tsy misy krizy, ary eken’ny rehetra ny endrim-pifidianana mizotra ankehitriny ? Folo andro mialohan’ny ambara fa hanaovana ny latsa-bato isika izao fa iza no manohana sy manome rariny io fifidianana amboletra io ankoatra ny ankolafin’ny mpitondra sy ireo minono ao anatiny ? Tahaka io ve ny fihetsika sy ny fanohanan’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena rehefa nisy fifidianana hatramin’izay ?Miharatsy ny fandehan-draharaha, tsy hitarika fitoniana sy fahamarinan-toeran’ny firenena ny amboletra. Ny fampitenena ny herin’ny basy aman-tafondro no heveriny fa hoenti-mampangina sy manampanaiky ny rehetra ny didohany, saingy tsy mbola diso ny tantara hatramin’izay fa tsy mbola nisy fanjakana naharesy herim-bahoaka izany, fa misy fetrany io. Efa ampy ihany koa angamba izay fanaovana sorona sy takalon’aina ny firenena izany, ampy izay ny fanjakazakana sy ny fiheveran-tena ho tompon’i Madagasikara ka sanatria atao tahaka ny vorona azon’adala hatrany ny firenena, hany ka raha tsy maty mifoifoy volo !
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mahafehy ny zava-drehetra mikasika ny fitantanana Firenena ankehitriny io,

Card image cap
22-mai-2025

fitondràna izao hahatongavana marina ho an’ity Madagasikara ity isika mianakavy!

Card image cap