airtel

Edito

24-mai-2022

Edito

Tsy hitan’ny karatra

Sample post image

Raikitra indray aloha izany ny fandaminana vaovao ny fifamoivoizana ho an’ny eto Antananarivo. Io nampiharina io ny andrana eo Ambohijatovo sy Analakely, izay misy ny lafitsarany, ary eo ihany koa ny lafiratsiny.

24-mai-2022

Nisy ny nahazo tombony, fa tao ihany koa ny nizaka ny tsy eran’ny ainy. Hita ho somary nihena tokoa ny fitohanana teny amin’ny faritra nandraisana ny fepetra andrana, tahaka ny avy any Ambanidia miazo an’Ambohijtovo, Analakely mivoaka Anosy,… Fa nampiteny ny moana kosa izay niditra ny tionelina Ambohidahy niazo an’Analakely. Hatrany amin’ny adin’ny telo ny avy any Tanjombato sy Ankadimbahoaka iny niditra an’Analakely. Ny fandaminana sy vahaolana fohy ezaka avy amin’ny kaominina ireny fa nankaiza ireo tetikasa goavana izay ny Fanjakana foibe mihitsy no miantsoroka azy? Toa efa lasa tsy hitan’ny karatra intsony indray mantsy ireo fotodrafitrasa lehibe nambara hatry ny ela fa hatao eto Antananarivo ? Efa dilan’ny fotoana sa miandry propagandy indray ? Efa tao anatin’ny telo taona no niresahana an’izany tetezana mitsingevana hatao eny Anosizato sy Ampasika izany fa mby aiza izy izao? Efa tany amin’ny aogositra 2019 aza izy izay no nanaovana antso tolo-barotra amin’ny tsenan’asam-panjakana. Aiza ho aiza ilay “train urbain” na “tramway” izay efa tamin’ny tetezamita no nolazaina fa efa any anaty sambo? Ary ilay teleferika toa nangingina tsy hitan’ny karatra intsony indray? Marina fa misy tokoa ny hoe: tsy tokony ho laharam-pahamehana kokoa mitaha ny zavatra hafa, fa misy ny tena ilaina tahaka ny Fly Over, autoroute,… Tsy misy tokony ho sakana intsony satria tany amin’ny propagandy teto Antananarivo dia novoizina mafy ny hoe: tsara kokoa raha olona iray donak’afo politika amin’ny filoha no fidiana. Fa inona no andrasana sa tena porofoana fa fampanantenana poakaty tokoa ireny ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap