olombelona nateraka hahantra, ny ezaka sy ny finiavana avy amin’ny tsirairay no mandahatra ny fiainany. Na izany na tsy izany, misy ny saranga tsy mitovy, saingy tsy voatery ho sahirana mandrakizay, ary ny efa manana fari-piainana ambony mety hihotsaka raha tsy mahay. Mitovy amin’izany ihany koa ny Firenena hoe : tsy voatery ho sahiran-dava isika na efa hatry ny ela aza no voasokajy ho Firenena mahantra na nosarontsaronana tamin’ny hoe : « andalam-pandrosoana » ! Mitaky asa, mitaky finiavana, mitaky fahaiza-mitantana, mitaky maodely ara-toekarena mahomby. Nahoana i Afrika Atsimo izay avy nifanaritaka tamin’ny ady an-trano sy fifanavakavahana ara-bolokoditra no isan’ny Firenena matanjaka indrindra ara-toekarena aty Afrika ankehitriny ? Nahoana i Rwanda izay vao nifamono noho ny ady an-trano no isan’ny lasa firenena fakan-tahaka aty Afrika ? Midika izany fa misy ny azo atao, maneho izany fa fahavononana hanova sy hanavao arahin’asa dia ahafahana manatsimbadika ny tantara. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanavaozana isika izao. Betsaka ireo fanamby napetraka, maro ireo fampanantenana, ekena fa misy ny finiavana,… ka ny irariana dia tsy ho roboka na tafavily lalana any amin’ny tsy izy ny mpitondra noho ny tsirom-pahefana. Irariana tsy ho tonga any amin’ny famadihan-tanindrazana sanatrian’ny vava ka hilalao ny fahefana ho amin’ny tombotsoan’olom-bitsy na vondrona matanjaka iraisam-pirenena. Efa nisafidy ny làlana makany amin’ny fiovana sy ny fanovana isika, dia izay no tokony hibaiko. Tsy vitan’ny mpitondra samirery ihany koa anefa ny fanovana, mila olom-pirenena tompon’andraikitra, mila toe-tsaina miova avy amin’ny isam-batan’olona,… Tsy mora ny miova sy manova saingy tsy misy fanovana tsy azo atao izany ihany koa rehefa misy ny finiavana.
Toky R