tia tanindrazana

Parution du Lundi, 20 Septembre 2021

airtel

Edito

Tsy lany lainga

Naman’ny efa miaina ao anaty vanim-potoana hafa kokoa ivelan’ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus isika taorian’ny 30 mey

10-juin-2021

Sample post image

 nanalefahana ny fepetra, na ekena aza fa mbola tsy vita ny ady. Ny Filoham-pirenena rahateo no naneho, fa andalam-pandresena azy io isika. Tsy tokony ho sakana ho an’ny Fanjakana Rajoelina intsony ny valanaretina, izay natao fialokalofana foana tamin’ny tsy fahavitan-javatra teto. Tena manana programa sy tanjona mazava ho an’ny firenena ve anefa ity Fanjakana ity? Inona marina ny programam-panjakana lavitr’ezaka sy mitsinjo lavitra mba mandeha amin’izao fotoana izao? Tsy fantatra mazava intsony izay tena programa iorenan’ny fampandrosoana eto, fa mandeha amin’ny kihanjohanjo sy arakaraka ny zava-misy sy mitranga. Manonofy ao am-pandriana hoe: handeha hanangana an’izao dia iny no tanterahina, hany ka tsy mifanaraka firy amin’ny filàn’ny besinimaro. Tezaina sy zarina amina santionan-javatra mamiratra ny olona, dia izay no atao hoe: fandrosoana sy fampandrosoana eto Madagasikara. Mby aiza moa izao ny PEM ilay ambara fa programam-panjakana tena hanavotana an’I Madagasikara noresahina tamin’ny faramparan’ny 2020 sy ny fiandohan’ny 2021? Moa tsy nambara tamin’ny kabary tamin’izany fotoana izany, fa tena hatomboka amin’ity taona ity ny tena fanavotana an’I Madagasikara. Ny 19 janoary 2020 no nolazaina fa hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny PEM, saingy dimy volana aty aoriana isika tsy hita izay niantombohany sy niafarany. Nolazaina fa hifampidinihana amin’ny mpamatsy vola, saingy toa voatsipaka am-bavafo fa programa hafa no tohizana hatramin’ny jona, hoy ny mpiara-miombon’antoka. Tonga ity ny jona dia inona no ho tohiny? Tsy atao mahagaga ny laingalainga sy ny tsy fitazonana ny teny nomena eto e! Efa tsy mahamenatra intsony.Ny rehetra no mila mandray lesona mety tsy voaisa amin’ny rantsan-tànana intsony izay nolazaina tsy tontosa izay. Adino ve fa efa nisy nilaza teto tamin’ny tetezamita hoe: efa any anaty sambo ny tramway? Tsaroana ve fa nisy nampanantena “digitalisation” 10 andro teto saingy herintaona tsy hita ihany? Adino ve fa nisy nilaza ho tsy mila trosa amin’ny mpamatsy vola mahazatra eto saingy inona no ataony ?

Toky R

Dans la même rubrique

Card image cap
Diso firenena sy vahoaka…
20-sept-2021

“Rehefa tsy mandroso amin'izao i Madagasikara tsy handroso intsony mandrakizay”, hoy ny filoha Andry Rajoelina tao Analavory ny sabotsy lasa teo nandritra ny fitokanana tsena nataony tany an-toerana.

Voir plus