airtel

Edito

19-août-2021

Edito

Tsy mahalala ny tsy hainy

Sample post image

“Amin’ny ankapobeny ny vahoaka dia tsy mahalala ny zava-mitranga. Tsy fantany akory aza fa tsy mahafantatra izy.” Mampahatsiahy izany fehezantenin’ilay mpahaiteny malaza Amerikanina,

19-août-2021

 Noam Chomsky, izany ny fiainam-pirenena eto Madagasikara ankehitriny sy ny fomba fandraisan’ny fiarahamonina Malagasy azy. Azo lazaina ho fitranga fara-tampon’izany tsy fahalalana hoe inona no tsy hainy izany akory ve izany izao hiainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny izao? Firifiry moa izay dosie nivoaka teto nanomboka ny taona 2009 no nankaty izay? Ny mahagaga anefa dia toy ny fimenomenomana sy toy ny fahafinaretana mamoaka izany eny amin’ny tambazotran-tserasera fotsiny no vitan’ny fiarahamonina ankapobeny. Volana vitsy na andro vitsivitsy fotsiny iny no maresaka dia toy ny vitavita ho azy eny. Tsy hita izay tena fotony fa ireo “pirina” tao anatin’ireo afera, hoy ny fiteny azy izay, no saika hita natao sambo-dokotra. Raharaha Andramena, tsenam-barom-panjakana, bonbon sucette, ecran plat, vola 2 baoritra, volamena 73,5 kilao, fikasana hamono ny filoham-pirenena sy ny maro hafa tsy voatanisa ao anatin’izany. Iza ihany na hoe iza avy izany ireo ilay tena atidoha na hoe “gros poisson” tao anatin’ireny raharaha rehetra ireny? Mba fantatry ny Malagasy heverina ho tsotra sy tsy mandady harona na koa ilay mbola rabiana hoe valalabemandry ve fa mbola tsy fantany izany? Ny tany nihariany an-taonany maro aza moa misy fotoana tsy hainy hoe nisy nanoratra tamin’ny anaran’olon-kafa na fikambanana hafa fa amin’ny fotoana tsy ampoiziny sy efa naman’ny tsy ahafahany manao na inona na inona intsony matetika vao fantany hoe izany kay no zava-misy. Betsaka izay fitabatabana sy fidinana an-dalambe nentina nilazana izay fa miha lasan’ireo vahiny ny tanindrazana saingy mandritry ny fotoana nanaovantsika izany teto hatrany, ohatra, no nandehanan’ny dingana ihany koa hoe famadihana ny Nosy Sambatra ho valan-javaboahary frantsay. Hanavotra ary hampandroso mihitsy an’I Madagasikara no tanjona raha ny nambaran’ny filoham-pirenentsika. Maro tamin’ireo minisitera efa teo no nivaky fa tsy manam-bola. Ny sasany aza moa tao anaty fifamindram-pahefana mihitsy no nilaza izany. Nampiana 10 indray anefa ireo minisitera miisa 22 efa nanahirana teo… Tsy mahalala ny tsy hainy akory mariny isika.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap