airtel

Edito

31-juil-2024

Tsy marary azy ny manjo Gasy!

Samy manana ny manahirana azy !

Sample post image

Ny Filoham-pirenena tsy rototra fa sady mitsangatsangana no mampalaza tena sy omem-boninahitra any Afrika

31-juil-2024

Andrefana, fa ny eto Madagasikara ambony ambany. Mbola tsy re siosio mihitsy ny ho fandrafetana ny governemanta na misy aza ny feo mandeha fa mety ho amin’ny faran’ity herinandro ity. Dia io fa efa manomboka mikatso ny fampandehanan-draharaha samihafa any any amin’ireo Minisitera. Manomboka misy mampiaka-peo noho ny tsy fivoahan’ny vola toy ny hoenti-manana hividianana solika, eny fa hatramin’ny karama any amin’ny Minisitera aza dia handrenesana fitarainana fa hatramin’izao misy tsy azo raha toa ka isaky fisasahan’ny volana hatramin’izay ! Ny any anaty rafi-panjakana aza izany, fa ny fahoriam-bahoaka ateraky ny delestazy, ny grevin’ny mpianatra, ny olan’ny fitsarana bakalorea,… dia marika mampiharihary fa tena sahirana ara-bola ny Fanjakana. Ny tetibolan’ny Minisiteran’ny fanabeazana aza moa voalaza fa nokantsanana hatrany amin’ny 200 miliara Ar. Tany anaty propagandy anefa dia betsaka ireo mpampianatra FRAM na mpampianatra efa mpiasam-panjakana aza noterana ankitsirano hatao fitaovana politika. Nisy mihitsy no nampanantenaina fa tsy maintsy horaisina mpiasam-panjakana amin’ity, ary izay tsy manaiky hanohana ny kandidam-panjakana dia tsy ho voaray mpiasam-panjakana, tao ny nahazo famindran-toerana,… Dia inona anefa no nitranga rehefa vita ny fifidianana ? Miala maina ohatran’ny takotra ireo mpanabe natao fitaovana politika satria tsy mampiditra mpiasam-panjakana ao anatin’ny 6 volana ny Fitondrana, ankoatra ny mpitandro ny filaminana. Nokantsanana 3000 miliara Ar mahery ny tetibolam-panjakana 2024, izay porofo maneho sy manamafy fa mbola ho kely noho ny teo aloha ny asa sy famahana ny olan’ny Firenena. Dia io iaraha-mahita io fa sarontsaronana kely natao ny betsaka tsy vita, fitantanana miainga amin’ny kihanjohanjo sy kisendrasendra, hany ka sorona hatrany ny Malagasy. Asa mandra-pahoviana no hahomby ny fanabadoana vahoaka sy ny fampanginana amin’ny alalan’ny fandragarangana basy aman-tafondro ? Rahoviana ihany koa no hifoha amin’ny torimasony ny valalabemandry ka ho tonga saina fa efa tsy rariny ary efa tena mihoatra ny azo leferina izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-déc-2024

Tsy mpanohitra an-drizalahy miseho azy ho tompon’i Madagasikara ireo aho, hoy ny mpanakanto sady

Card image cap
05-déc-2024

fa tsy manan-tsafidy intsony ny Malagasy fa na mifoha sy mandray andraikitra hitsinjovana ny ho

Card image cap