airtel

Edito

02-févr-2023

Edito

Tsy mba mataho-tody mihitsy ve?

Sample post image

Tahotry ny tody satria mbola manantena ny ho ela velona no tsy hanaovan-dratsy, araka ny soatoavina nolovaina tamin’ny razambentsika fahiny.

02-févr-2023

Ankehitriny anefa, toa tsy izay no miseho, fa tena betsaka no manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina. Tsy misy tahotra sy henatra ny fananararaotam-paty amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary manao hafainganam-pandehana lamasinina TGV ny fangoronan-karena mihoampampana. Tsy te hahalala izay tody sy tsiny any, fa ny zava-dehibe dia ny hoe: mila manararaotra, fa fandalovana ihany ny seza sy fahefana. Samy mba nety nanana ny fahadisoany, ary mba mety samy tratry ny fakam-panahy, fa mba hafa kokoa ny hoe: sady manangona no mba mivoatra ny fiainam-bahoaka, fa ny zava-doza eto dia tena misalobo-komana, ara-bakiteny. Mbola mahavita mamotika fiainan’olona izay tsy mitovotovy fijery amin’ny tena. Voizina sy resahina ny hoe: tsy mila korontana ny firenena, saingy rehefa zohiana dia toa manao izay hankahalan’ny olom-pirenena azy mihitsy ny sasany. Milaza fa tohina vao voatsindrona kely amin’ny toriteny, kanefa ilay finiavana hanarina ny tsy mety sy hanitsy ny dia tsy ao mihitsy fa mbola tia mihetraketraka sy mihantsy. Mba efa noeritreretina na mba naserana kely tao an-tsaina ve ny fahasahiranana sy fahantrana ary ny mety ho hatezeran’ny Malagasy eo anatrehan’izao fiainany mikorosy fahana tanteraka izao. Tsy finiavana hisintona lakolosy sy miantso fitroarana, fa raha tsy miova famindra fa mbola manao tahaka ny gisalahy manala-ketsa aloha ireo nampindramina fahefana dia asa izay mety hiseho eto? Sa sanatria tena iniana haharihary ny tsy mety mba hisian’ny fahatezerana hitarika korontana mihitsy ve izay vao mody handeha hanao sinema hoe: andao hifampiresaka handamina ny raharaha satria efa tapitra rahateo ny fotoana namilianay ny firenena?
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap