airtel

Edito

07-oct-2021

Edito

Tsy mety tafavoaka

Sample post image

Krizy, tolona, fitondrana vaovao dia miverina krizy indray avy eo dia misy tolona dia misy fitondrana vaovao mijoro.

07-oct-2021

Toy izany hatrany no fintin’ny raharaham-pirenena teto amin’ity Madagasikara ity nanomboka tany amin’ny taona 1896 izay nanombohan’ny fanjanahantany no nankaty. Tsy mety tafavoaka amin’izay kisarisary izay mihitsy ny zava-misy ary ny mahagaga dia efa hain’ireo mpisehatra politika hatrany fa tsy maintsy ho izay foana no fiandohana sy fiafarana ao anatiny ao kanefa dia toy ny mbola maha tamana azy ireo sy iniany atao. Tsy vahana araka ny tokony ho izy sy itadiavana vahaolana maharitra fa avela hamotika ny firenena hatrany. Mijery ny zava-misy ankehitriny izao isika, raha raisina ohatra ity krizy mandalo eo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety. Oviana moa ny fifidianana izay ho filoha sy biraon’ny olafitry ny mpanao gazety teto no tsy nisy olana? Hatramin’izay nisian’izany minisiteran’ny serasera izany, firy isan-jaton’ireo mpanao gazety Malagasy no sahy milaza fa tena nahatsiaro ny fiahiana avy amin’ity minisitera ity tokoa hatramin’izay niatrehan’izy ireo ny asany. Soa fa teo ny olafitry ny mpanao gazety, raha ho an’ny fitantanana niainantsika farany aloha no resahana, satria na dia kely sy voafetra aza ny fahefana omena ny OJM dia nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo hiarovana ireo mpanao gazety. Tsy nahasakana ny fisiana mpanao gazety mbola voaantso teny amin’ny borigady misahana ny heloka bevava hanaovana fanadihadiana moa izany na dia tsy tokony ho eny intsony aza no hanaovana izany, raha ny voarakitry ny sata mifehy ny fifandraisana. Tsy nahasakana ny fisian’ny mpanao gazety nigadra, ny nampandoavina lamandy midangana, ny tsy afa-nikaro-baovao an-kalalahana sy ny maro hafa. Io koa ankehitriny ny manjo ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra. Miverina indray izany matory amin’ny tany any anaty seranam-piaramanidina izany. Miverina indray ireo savorovoro nampanofy ratsy tamin’ny andron’ny Club M sy ny Scorpions. Hatreto tsy mety tafavoaka fa dia… asa aloha!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap