fa ny azy sy izay ao an-dohany ihany no marina sy tsy maintsy toavina ary tanterahana. Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no hihainoana sy hiraharahiany ny vahoaka Malagasy, raha toa ka ny olona eo akaikiny aza tsy raharahiany? Firifiry ny fitarainana sy anjomara momba tsy fanjariana ara-pitantanana, saingy ny toa setriny dia ilay hoe: “mpanjika tozoro afara”. Na ireo olon’ny fitondrana milaza ny zavatra tsy mety aza toa hanaraman’ny sasany mpikarama an’ady hanaratsy, raha tarafina tamin’ny nanjo depioten’Ikongo raha nilaza ny zava-misy tany amin’ny distrika nahalany azy, nitondra tsikera amin’ny tokony ho laharam-pahamehana,… Mazava ho azy fa tsy misy aroriaka sy arofanina firy intsony fitondrana izao fa tena manao izay maha diavolana ny sainy. Tsy misy sori-dàlana mazava tena hitondrana ny firenena fa toa miainga amin’ny kisendrasendra sy ny aingam-panahy sendra miserana. Nandeha coronavirus, dia nolazaina fa isika no hanavotra an’izao tontolo izao, eny fa nampiasaina hatramin’ny mpaminany sandoka. Tampoka teo dia sahy miteny sy mirehareha fa ahazoana tombony kokoa noho ny mamboly vary ny fambolena artemesia. Mandeha fidangan’ny vidin-tsolika dia tonga tampoka ny hoe: hanafatra “bus” manara-penitra. Tsy finiavana hanakiana fa be loatra ilay eritreritra toa manidintsidina, hany ka tsy tena misy zava-banona, fa lany andro mampanonofy. Aty amin’ny fiafaran’ny taom-piasana mbola tahaka ireny vaninandro propagandy ireny ny fihetsiketsehana, mba hitsapana vintana sao mbola hahazo 5 taona manaraka!
Toky R
Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…
Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,