airtel

Edito

01-juil-2021

Edito

Tsy misy fiatsarany

Sample post image

Raha efa tany amin’ny taona 1970 izany ry mahaleo no efa nahita fa “ny fanantenana efa mihena mitsilopy.”, “tsy misy fihatsarana,”, “izay mety ho fiovana, efa zary nofinofy.

01-juil-2021

” dia inona intsony izany no azo ilazana ny zava-mitranga ankehitriny? Nahatonga saina ihany ny fampahatsiahivan’ny mpahay toekarena iray omaly fa hay tokoa moa ity Madagasikara ity mba efa nanana izany SOLIMA izany, izay orinasam-panjakana Malagasy namatsy solika teto. Efa mba nanana izany atao hoe Telecom Malagasy izany ihany koa, izay orinasam-panjakana Malagasy madiodio tamin’ny fotoan’androny saingy efa tsy izay intsony ihany koa ankehitriny. Hain’ny mpanara-baovao ny tohiny. Mbola io izao ny orinasa JIRAMA saingy efa mampanahy be ihany koa hoe hanao ahoana ny ampitsony? Ny paositra Malagasy koa iny niaraha-nahita sy nandre iny omaly ny antony mampitokona tsy hiasa ireo mpiasa ao. Vita sy mamirapiratra ireo fotodrafitrasa manara-penitra miloko volomboasary sasany ankehitriny. Efa fanontaniana mipetraka matetika ny hoe aiza ny fitaovana ao anatiny? Aiza ny mpiasa? Afa-po ve ireo efa nandalo tao anatin’izy ireny? Fanontaniana vaovao goavana sy lasa maha tonga saina ihany koa izany izao rehefa mahita ireo zava-misy hafa voatanisa teo aloha teo ireo dia ny hoe hanao ahoana ihany koa izany ny mety hoavin’ireny fotodrafitrasa vaovao mariky ny fandalovan’ny fitondrana volomboasary ireny? Hopitaly manara-penitra, Pharmalagasy, Kianja Barea sy ny mety ho hafa rehetra eo? Mampahatsiahy ny fanahian’ilay mpandinika andro iray izay hoe mbola ho tompon’I Madagasikara ve ao aoriana kely ao ny Malagasy? Heverina fa sahy angamba izay milaza fa efa miroso amin’ny fiatsarana ny fiainan’ny Malagasy isam-baravarana amin’izao fotoana izao. Tsy vitan’ny hoe tsy misy fiatsarany, araka ilay tononkira efa ela notanisaina teo intsony, aza fa tena miha ratsy mihitsy ny ankamaroan’ny fiveloman’ny mpiara-belona. Ireo mpitondra ihany sisa tsy marefo eto, hoy ilay antoko politika iray izay. Mbola hifantoka amin’ny fananganana mamirapiratra nefa mamparefo ny vahoakany hatrany ve ny mpitondra ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap