airtel

Edito

15-févr-2022

Edito

Tsy velon-kantenaina, tsy maty hafoy…

Sample post image

Efa rora laniana sisa ny fampanantenana etsy sy eroa, ary saritsarim-pampandrosoana sy endrika ivelany sisa hisintonana ny fon’ny Malagasy,

15-févr-2022

 fa raha izay tena hanala ny gejan’i Madagasikara ao anatin’ny fahantrana mbola nofy, raha ity Fanjakana ity no antenaina. Akoho tsy naneno ohatr’izay efa lanin’ny kary, hoy ny fitenenana. Fitondrana tsy velon-kantenaina, kanefa tsy maty hafoy ny eto, fa dia miandry izay ho tohiny fotsiny ny rehetra. Mpitondra Fanjakana izany tsy natao hampiodina raharaham-panjakana sy hitantana krizy, ka hialokaloka lava ao ambadiky ny olana, fa natao hitondra vina sy fijery lavitra tsara kokoa hiharenan’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka tsy an-kanavaka. Ity kosa Fanjakana tompondakan’ny seho ivelany, tsy mahavaha ny olan’ny firenena, fa mampihaingo sy manarona izany ho ao ambadiky ny kirendrarendra sy ny kisehoseho ivelany. Taloha raha ny mpanohitra no notondroina sy nolazaina ho manelingelina sy misakana ny asa fampandrosoana, dia nivadika ho ny valanaretina indray, ary ankehitriny mety ho ny loza voajanahary,… Samy mba nisedra valanaretina izany daholo ny firenena maneran-tany, fa ny olona nametraka mazava ny drafi-piharenana na “Plan de rélance” fa ny antsika mbola mampametra-panontaniana hoe: “Plan de werawera” sy “Plan de kolikoly” ve no natao teto satria izany no nisongadina noho ny fitantanana tsy mangaraharaha? Noresahina fa hanao ny tsy vitan’ny Fanjakana rehetra nifanesy tao anatin’ny 60 taona ao anatin’ny 5 taona, avy eo milaza fa mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in’efatra indray raha tiana handroso ny firenena. Ny lazaina anio, lasa tsy mitombina rahampitso, ka mbola mitoetra ve ilay fahintsiana na “honnêteté intellectuelle” sa dia efa nalevina tanteraka? 4 taona ianao milaza fa efa niomana hitondra ny firenena, 4 taona aty aorian’ny nandraisanao fahefana ianao mbola miantso atidoha na “cérveau” hiketrika sy handahatra izay laharam-pahamehana amin’ny ambara fa programanao dia matotra sy tena mahazaka firenena ve? Moa tsy efa hatrany amin’ny vina nakana fom-bahoaka tany am-piandohana izany no poakaty? Ny ao anatiny aza moa toa mifanipaka an-karona toa tsy rototra amin’izay vina any fa izay hihinanana ihany, misy ny efa mitsotra fa miandry soratra hiakatra sisa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap