ity efa hatry ny ela ny hoe tsy vitan’ny resa-be na resaka fotsiny ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Raha amin’izao fotoana izao izany dia hoe tsy vitan’izany fotsiny ny fanavaozana an’ity firenena ity. Maro ireo karazana dinika sy fikaonandoha efa nandeha izany izao, efa herintaona mahery. Raha any am-pianarana sy ambaratonga ambony izany ny filaza azy dia hoe tsy vitan’ny teoria fotsiny io fa mila fampiharana. Any amin’ny orinasa koa toy izany satria na teto amin’ny firenena io na mety amin’ireny sehatra asa samihafa ireny koa dia mety ahitàna karazam-pivoriana koa any izay kasain’ny mpitondra na mpitantana orinasa hanatsaràna ilay firenena na fiarahamonina na orinasa saingy tonga amin’ilay fomba fiteny nefa avy eo hoe «tsy mba leom-bory nefa ny vokatra tsy mankaiza akory». Oviana tokoa moa no tsy efa nisian’izany atao hoe dinika sy fikaonandoha izany teto amin’ny firenena saingy naninona no tonga tamin’ilay fomba fiteny hoe nidofotra hatrany? Maro be ireo teoria naroso ary tsara daholo, hoy ireo nahita rehetra, saingy ny lafiny fanatanterahana hatrany tokoa ve nefa no lesoka? Sao mba tsy tena voaray araka ny tokony ho izy koa, misy fotoana, ny drafitra tena tiana hanatanterahana ireny tetikasa ireny, mba tsy ilazàna hoe tsy nohenoina tsara na tsy nohenoina mihitsy? Isan’ny fehiny na hoe «conclusion» heverina fa tokony ho raisina lesona koa, araka izany, ny hoe tsy vitan’ny resaky ny moana sy marenina ny fampandrosoana fiarahamonina iray na orinasa io na fokontany na faritra na firenena sy rehefa mety ho fiarahamonintsika olombelona toy ny eto amin’ity Madagasikara ity! Tsy vitan’ny resaka miverimberina lasa manome fahasorenana ny maheno toy izay nahatonga ny voambolana hoe «litania» hahazo vahana teto amin’ity firenena ity nanomboka tany amin’ny taona 1990 tany ho any. Samy mahafantatra ny tiana nambara tamin’izany hoe «atao litania» na «voambolana tsy vaovao intsony» izany avokoa angamba, indrindra, ireo mpanara-baovao politika sy mpanao politika eto amin’ity firenena ity mihitsy! Mandeha amin’izao fotoana izao ny fanehoan-kevitra samihafa amin’ny alalan’ireo fantson-tserasera be dia be aroson’ny karazana tekinolojia eto amin’ity firenena ity. Ny hirariana, noho izany, na dia mbola tsy mipetraka araka ny tokony ho izy aza ilay hoe fikaonandoha eto amin’ity firenena ity dia enga anie hifarana hatreo ny resaky ny moana sy ny marenina, izany hoe, resaky ny tsy tena mifampiheno akory, sy ny litania!
J. Mirija