airtel

Edito

09-févr-2024

Tsy vitan’ny vava

Tranom-pody no vitan’ny vava,

Sample post image

hoy ilay fomba fiteny izay. Tsy vitan’ny vava kosa izany atao hoe

09-févr-2024

fampandrosoana firenena izany. Heverina fa fahamarinana tsy azo iadian-kevitra izany. Hiresaka fampanantenana natao tamin’ny 11 taona lasa toy ny RN 44 ianao dia hiteny hoe izay nampanantenaina tsy maintsy tanterahana satria ankehitriny ilay izy vao tanteraka. Isaky ny mahavita zavatra kely dia hiteny izany hatrany. Hodiana tsy hita ireo tsy tanteraka toy ny fanafoanana ny antenimieran-doholona izay lazaina fa mihinam-bola loatra. Toy izany koa ny tetikasa Fly Over sy Tanamasoandro ary Miami, izay mba tsy hilazana avy hatrany hoe tsy vita dia andeha angamba atao hoe tsy vita ara-potoana fa mbola andrasantsika eto foana. Mbola mampikaikaika hatramin’izao ny tsy fandriampahalemana. Hatramina raim-pianakaviana efa raiamandreny no mbola misy mamono sy manala eny an-tanimbolony ny voamasony. Mampihoron-koditra ny mandre izany! Aiza ireo fampitaovana mifandraika amin’izany nilokalokana tamin’ny fotoan’androny? Ny resaka olan’ny JIRAMA izany moa dia tsy hita intsony izay tena fampanantenana tian’ny fitondrana hiaviana amin’izy io fa dia ireny niaraha-nahita saika niova isaky ny fitetezam-paritra nataon’ny filoham-pirenena hatramin’ny fe-potoam-piasana voalohany ireny ny fivadibadihany. Tamina faritra sasany dia hoe hivaha afaka 3 volana. Tany amin’ny hafa indray dia hoe 6 volana. Tany amin’ny sasany moa dia hoe any amin’ny taona 2028 any ho any mihitsy vao tena hivaha izy ity. Tototry ny loto sy ny aretina ilay firenena satria rakotra fako faran’izay misavovona. Io izao ny teny Anosipatrana dia navadika ho haingo ambony tsikoko notakomana sainam-pirenena, hoy ny famazivazian’ireo mpanao politika mpanohitra azy ankehitriny. Tonga koa io ny fahavaratra dia najanona teo amoron-dalina na hoe amoron-tatatra teo ihany ny fako sy loto nosokirin’ireo voahiraka mba nanadio izany tamina faritra sasantsasany, araka ireo sary hita niparitaka hatrany anaty tambazotran-tserasera tany hatramin’ny omaly moa izany. Rehefa tsy asa vita tanteraka dia asa tsy vita hatramin’ny farany hatrany ve izany no, sanatrian’izany, ho zary mba lasa kolontsaina politika eto amin’ity firenena ity? Mandra-pahoviana nefa? Tsy vitan’ny vava izy ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap