airtel

Edito

30-août-2022

Edito

Valala samborim-boka

Sample post image

Mbola lavitry ny kitay ny afo amin’ny fahatanterahan’ilay voalazan’ny hiram-pirenena hoe: “Hiadana sy ho finaritra! Eh, sambatra tokoa izahay”,

30-août-2022

raha tarafina amin’izao zavatra manjo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao. Sanatria toa lasa firenena ambin-doza sy rà latsaka izany ny firenentsika. Andro aman’alina no hanehoana rà mandriaka, ka izay tsy matin’ny loza mahatsiravina, matin’ny lonilony sy disadisam-piarahamonina sy ny tsy fandriampahalemana. Tsy voaaro intsony ny vahoaka sy ny fananany fa tena samy miaro ny rambony tsy ho tapaka araka ny fomba fiteny. Tsy voatery ho ahilika amin’ny manam-pahefana sy ny mpitondra Fanjakana avokoa ny lesoka sy ny olana, saingy tsy adala ny Ntaolo niteny hoe: tany misy olobe tsy miady zaza. Handamina sy handrindra ary hamaha ny olam-bahoaka sy hitondra fampandrosoana no antony ilàna mpitondra, fa rehefa izay no tsy vitany dia tsy misy antony tokony hijanonany eo. Mipetraka ilay fanontaniana ankehitriny hoe: Misy Fanjakana ve eto? Zary mitady ho tsy vaovao amin’ny sofina intsony ny rà mandriaka sy aina hafoy etsy sy eroa. Matetika vitavita ho azy, matimaty foana ireo vahoaka tsy mandady harona na tamin’ny raharaha politika, na tamin’ny olana ara-piarahamonina, na ny trangana tsy fandriampahalemana,… Mby aiza ny tohin’ny raharaha Antsakabary efa tany amin’ny 4 taona lasa? Aiza ny tohin’ny raharaha vaky fonja nahafatesana gadra 20 mahery tamin’ny aogositra 2020? Nanao ahoana ny tohin’ny raharaha Ambolotarakely vao tsy ela nahafatesana olona 20 mahery? Io ihany koa fa nisehoana toe-javatra mampalahelo tany Ikongo. Toa vitavita ho azy, matimaty foana tahaka ny valala nosamborim-boka hatrany ireo vahoaka, izay mety nanana ny fahadisoany, saingy tsy azo ekena ny fandatsahana ain’olona na inona na inona antony. Heloka ary voararan’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka, saingy mila dinihina ihany ny antony mahatonga ny olona hiroso amin’izany. Tsy manenjika ireo rafitra samihafa sy mampiditra azy ireo anaty kitapo iray, fa kosa mety tafiditry ny fandoto iray tandroka, fa isan’ny anton’ireny ny tsy fahatokisana mpitandro filaminana, ny fitsarana,… Fa raha tena manao ny asany amin’ny fikatsahana ny tombotsoam-bahoaka ny Fanjakana, tena mianao asa mifandraika amin’ny filam-bahoaka, misy famoron’asa,… ny Fanjakana, mihena ny tsy fandriampahalemana, milamina kokoa ny tany. Ny miseho ankehitriny anefa, izay tsy matin’ny loza sy ny asan-jiolahy, matin’ny fahantrana!
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap