airtel

Edito

25-oct-2021

Edito

Vanja milevina…

Sample post image

Milamindamin-dratsy ireo toe-draharaha mafampana sasany, raha tsy hilaza afatsy ny grevin’ny mpiasan’ny fadin-tseranana,

25-oct-2021

 ny fitokonan’ny mpandraharahan’ny oniversite izay tapitra aloha rehefa voalaza fa hita ny marimarimaritra iraisana. Tsy hisy Fitondrana haniry ho mihisatra fiasa sy miandry grevy vao hahavaha olana izany, fa ireny aloha izany no mety ho fara-fahaizany. Asa mba aiza ho aiza ilay “carte bancaire” ho an’ny mpianatra sy ny mpandraharaha izay nambara ny 20 martsa 2021 fa ho vita afaka iray volana. Efa enim-bolana aty aorina isika izao fa sao hadino! Zava-dehibe aloha ny hoe: nivaly ny olana taorian’ny fifandirana naharitra, fa raha tena mahay sy matihanina ny Fitondrana tsy nisy akory ny olana. Tsy azo hireharehana noho izany ny zavatra tahaka io. Ampahany amin’ny olana misy no nivaha, fa mbola betsaka ny vanja milevina samihafa amin’izao fotoana izao. Mbola betsaka ny trosa tsy voaloa, misy ny an-taonany, misy ny am-bolana maro,… Goavana ny olana ara-stratejika iainkinan’ny aim-pirenena, raha tsy hiresaka afatsy ny olan’ny Fanjakana sy ny kaompanian-tsolika. Na io resaka volan’ny mpandraharaha tamin’ny asa vaventy voalaza fa tsy voaloan’ny Fanjakana io aza tena saropady be. Betsaka ny fampanantenana hanao fotodrafitrasa, hanao làlana,… saingy iza no hanao izany maimaimpoana tsy hahazo vola? Hireharehana ny hoe: manam-bola fa fandaminana fotsiny no anton’ny fahatarana, saingy an-taonany na am-bolana maro tsy mahavaha olana ve dia mbola hisy hino an’izany ny olona? Vao mainka mandranitra olona ihany koa anefa etsy andaniny ny hoe: manana amina miliara homena klioba mpanao baolina, fa malaindaina hanome ny valin-kasasaran’ny olona tena niasa. Izany ve ilay Fanjakana tsara tantana? Zary mpitantana krizy sisa no tena an-tompom-pisian’ilay Fanjakana eto, lasa miaina anaty famonoana afo lafo. Tsy misy tena programa sy vinan’asa goavana mandeha, fa miaina amin’ny fotodrafitrasa madinidinika vitaina amin’ny tetibolan’ny minisitera eny. Tsy ara-tsosialy ihany, fa ny ara-politika ihany koa. Toa avy ao anatiny ihany no mitohy ny ady mafampana. Lany andro mamaha olana. Izay drafi-pampandrosoana goavana mahafaobe aloha dia lavitry ny kitay ny afo. Ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) aza efa tamin’ny janoary no nambara fa ampahafantarina ofisialy kanefa 10 volana aty aoriana tsy hita izay teo. Sady mitantana krizy no mampihatra ny programan’ny lainga manara-penitra ve e ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap