airtel

Edito

13-avril-2023

Edito

Vanja milevina

Sample post image

Mbola mandrimandry manana aretina aloha isika izao eo anatrehan’ny loza mitatao ho an’ny firenena. Sanatrian’ny vava haniry ratsy sy zava-doza fa raha izao zava-misy ara-politika,

13-avril-2023

ara-toekarena, ara-piarahamonina izao no tsy haravona sy tsy halamina dia asa izay hitranga eto aoriana kely? Rehefa zohiana mantsy, mandady ny trambo amin’ny resaka kajikajy ara-pifidianana, ahiana ny ketrika avo lenta,… Miharihary ny fandrangarangana hery ataon’ny mpanao politika, efa misy milaza fa mpandresy foana amin’ny zava-drehetra, misy mamaly bontana amin’ny izaho no tena tompondaka fa ianao hosoka,… Vao aty amin’ny fanafanana tena raha baolina dia efa mandeha ny fifandrahonana. Rehefa zohiana, ny heverina fa lehibe sy Raiamandreny tokony ho mpampiombona eto amin’ny firenena amin’ny maha Raiamandren’ny Malagasy azy araka ny fahefana nomena azy, tsy mipetraka amin’ny toerany sy tsy mahavita mampiray ny firenena fa vao mainka mandrehitra afo aza, tsy manaja ny hafa, manome ohatra ratsy. Vokany, manomboka midingin-drambo ny hafa, ary ireo zaza tinaiza tao an-tokantranon’ny Fitondrana aza no efa maro no manangam-bovona fa tsy izy io, tsy izao no nifanarahana, tsy izao no nampanantenaina,… Efa betsaka no manomboka miala ao anatin’ny sambo, ao ireo efa miomankomana fa miandry pitik’afo kely fotsiny noho ny mety ho trosa ara-politika mifampiditra,… Izany no sary politika misy ankehitriny, ny hafa tena aty ivelan’ny fitondrana ihany koa moa na misy aza ny tsy fitovian-kevitra, toa lasa mihavankavana eo noho ny tanjona ny mety ho fahavalo politika iraisana. Ho tonga hatraiza ihany koa anefa izany? Mba efa miomana amin’ny valin’adiny ihany koa fa tsy hanaiky holakoina lava eo. Izany rehetra izany, dia zary lasa vanja milevina mety hirefotra aoriana, loza mandindona ny firenena ka hosarontsaronana fotsiny eo ve? Enga anie anefa mba ny hamisavisana ny ratsy tokoa no hiavian’ny soa!
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap