airtel

Edito

14-janv-2021

Edito

Velirano lasa fahirano

Sample post image

Kofona sasatry ny mamono afo ny fitondram-panjakana ankehitriny eo

14-janv-2021

 

 

 

anatrehan’ny olana sesilany miseho. Ny eo tsy mivaha, ny eo misosoka ihany. Mbola raharaha mafaha mampikolay ny fitondrana ny volamena be tratra any Afrika Atsimo, vary mangatsiaka hatramin’ny novambra ny olan’ny mpitsirika asa, mba efa nilamindamina ny raharaha ENS, tonga ihany koa io covid-19, ny kere any Atsimo nanaovana velirano maro be leo ny olona ary io mitsoaka io,… Zary lasa adihevitra ny fanakanana mivantana na ankolaka ireo olona avy any Atsimo tsy handeha, izay mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana. Io fa mikolay sy mitroatra ny mponin’Antananarivo amin’ny resaka tsy fisian-drano, ny fahatapan-jiro moa indraindray mampiteniteny foana. Ny velirano lasa fahirano! Ny vidim-bary, ny sandam-bola,… eny ny vidim-piainana amin’ny ankampobeny efa tena tsy zakan’ny olona intsony. Tsy niomana sy tsy manam-bahaolana firy amin’ireny rehetra ireny ny Fanjakana, ary mianina amin’ny kitsapatsapa. Mionona amina fomba fiasa mamono afo, mitondra vahaolana “tip top”, satria tsy mahay misoroka ny olana tsy hiseho fa efa mirehitra ny afo vao mikorapaka. Indraindray, toa ireny no hakana haingam-panahy hoenti-milaza velirano vaovao, tahaka ny kere tany Atsimo. Ny tsapa sy hita taratra, dia miraviravy tànana ny mpitondra, tsy mahavaha olana, mitady izay hanilihana ny tsy fahombiazana, ary mbola mahavita manenjika mpanohitra,… Ny famahana ireo olona misy aza mety mbola maivana ny hoenti-manana noho ny vina goavana ampanantenaina ka aiza no hahita vola hoenti-manao velirano tsy mitsaha-mitombo ?

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap