airtel

Edito

05-août-2021

Edito

Very an-dalana

Sample post image

Andaniny, fitondrana variana amin’ny fanenjehana ireo voarohirohy amin’ny resaka fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena sy ireo mpitondra ambony sasany eto amin’ny firenena ihany koa.

05-août-2021

 Mety azo lazaina koa angamba hoe variana amin’ny fifanenjehana politika na fifanenjehan’ny samy mpitondra na mpanao politika tsy mifampatoky intsony. Ankilany kosa, vahoaka trotraka, reraky ny vidim-piainana miakatra isan’andro. Azo antoka fa tsy afaka ny hitondra ny anjara birikiny mihitsy aloha hampandrosoana ny fireneny ao anatin’izao fahantrana lalina baben’ilay fireneny sy mbola ampian’ity savorovoro tsy mety tapitra ity izao. Ao anatin’izany rehetra izany rahateo dia mampametra-panontaniana hoe zaran’ireo minisitra na tomponandraikitra hafa voakasika mivantana momba izay resaka sosialim-bahoaka izay aza ve izany misy ity savorovoro mandalo eto amin’ny firenena ity hanginana sy hisitrihana mihitsy aloha satria tena efa tsy voafehiny intsony ilay zava-misy? Aiza ny minisitry ny varotra? Aiza ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa? Aiza ny minisitry ny mponina? Aiza daholo ireo nitabataba rehetra teo aloha teo fony mbola nangatsiatsiaka noho izao ny toe-draharaha. Ankehitriny, mandifotra ny zava-misy, raha oharina amin’ny ranombary ary mandetika tanteraka raha oharina amin’ny hady. Setrin’izany anefa dia toy ny vao maika fahanginana sy fandraviraviana tanana no asehon’ireo tomponandraikitra raha toa ka izay fandraisany ny tena tokony andraikiny izay no andrasana aminy hany ka samy very an-dalana tsy mahatsinjo izay hiafarana hatramin’ny vahoaka manontolo.

J. Mirija


 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap