airtel

Edito

09-août-2021

Edito

Voky fampanantenana

Sample post image

Rehefa maheno ny Filoham-pirenena ankehitriny miresaka, dia hita taratra ary tena miharihary ny maha olon’ny serasera azy.

09-août-2021

 Tsy mba manam-pahadisoana firy tamin’ny fitantanana firenena, madio tsy misy pentina ary tena mpanavotra firenena, ny teo aloha dia toy ny hoe tsy nahay na inona na inona sy tsy nitsinjo ny tanindrazana daholo fa fahavalom-pirenena,… Tsaroana ny làlan-tsaina novoizina fahiny nampidirina tao an-dohan’ny olona hoe: “làlana angaha azo hoanina”, ny fahatokisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena nolazaina fa fampidiran-trosa mampahantra firenena ary tsy handroso na amin’ny 2030 aza, ny fanafarana omby vavy be ronono fahiny io haverina io,… Izay izany ilay hoe: Rehefa ny hafa no misioka dia vorondolo, fa rahefa ny tena dia voromanga? Tena hainy ny maka ny fon’ny vahoaka, ka ny fitiavan-tanindrazana sy ny fijoroany ho an’ny firenena, hono, no mahatonga ny fifofoana ny ainy,... Toy ny hoe manga foana izany ny lanitra, tahaka ny mbola any anaty propagandy izany ny vaninandro lalovana. Mipetrapetraka tokoa mantsy ny lafiny am-bava sy ambony latabatra hoenti-manatanteraka ilay hoe: ho sangany manerana izao tontolo izao. Moa va tsy lahateny toa natao mihitsy mba hamelomana ny fanantenana ao anatin’izao fotoan-tsarotra iainan’ny vahoaka izao. Tahaka ny hoe anio no miteny, dia miova ny zava-drehetra rahampitso. Ho tonga ny fahagagana satria efa mampiasa ny fahefany ilay Mesia hanavotra ny firenena,…. Ny resaka ambony latabatra izay, fa rehefa jerena ny fiainana andavanandro, dia mitoetra hatrany ny hoe: tsy mbola niaina fahantrana lalina sy fahasahiranana tsy hita pesipesenina izany tahaka izao Ramalagasy tao anatin’ny 60 taona. Afaka telo andro dia misy vahaolana, hono, ny fidangan’ny vidim-piainana. Afaka manao fahagagana tahaka izany ihany ve dia andrasana ho mijaly sy fadiranovana ny vahoaka? Sao sanatria hiainga amin’ny petatoko indray ka ny serasera mirefodrefotra no mameno azy? Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa ka samy miandry indray aloha izany ny rehetra e! Sanatria hamboly toe-tsaina miiba amin’ny Malagasy ihany koa anefa, fa mila miomana ihany koa amin’ny fahadisoam-panantenana satria tsy vao izao no nahenoana ronono an-tavy. Isika rahateo tsy misy sori-dàlana sy programa mazava fa miankina amin’ny menomenona any anaty Facebook ihany ny fomba fiasa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap