airtel

Edito

22-juin-2021

Edito

Zatra miala bala sy manadio tena

Sample post image

Marina fa mbola eo ny valanaretina coronavirus, saingy tsy mitovy amin’ny teo aloha ny heriny sy ny tanjany eto amintsika.

22-juin-2021

Tsy midika akory izany fa resy ny valanaretina ka afaka ny ho goragora amin’izay. Mampanahy rahateo ny zava-misy aty Afrika izay ambaran’ny OMS fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny onja fahatelo na « 3ème vague » amin’izao fotoana izao. Mampivarahontsana io, ka hanentanana ny olom-pirenena hitandrina mandrakariva, ary eo ihany koa ny mpitondra izay tompon’ny fandidiana sy ny fanapahana. Sao mantsy handeha indray ny vava tsy ambina sy ny teniteny foana toy ilay hoe : « efa vonona ny Fanjakana », « Tsy mafy noho ny pesta io »,… Na izany na tsy izany, tsy sakana afahantsika miatrika ny ho avy sy miroso amin’ny dingana vaovao ny fisian’ny valanaretina satria mitohy sy mivoatra ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny zanak’olombelona. Ny fitandremana sy ny fahaizana miara-miasa aminy no zava-dehibe satria aretina efa naman’ny manamarika ny taon-jato lalovantsika ankehitriny io, ary tsy ho resy vetivety. Asa mbola handeha hatrany ve ny tsianjery maimbon’ny mpitondra zatra miala bala amin’ity resaka valanaretina ity ? Io ve no hoenti-miaro tena hatrany eo anatrehan’ny tsy fahombiazana ? Samy nandalo krizy lalina ihany, samy nitondra7 taona izao ihany ary nisy aza ny 5 taona mbola narahina sotasota. Ny vokatra anefa dia tsy nitovy mihitsy ny fandrosoan’ny firenena taorian’ny fandraisam-pahefana taorian’ny krizy 2002 sy ny tamin’ny 2009. Tsy resaka tsangan’olona ny fahaiza-manao mihitsy no tsy ao e! Tsy nisy krizy ny 2018 kanefa ny 2019. dia efa nanomboka najotson’ny tsy fahaiza-mitantan’ilay milaza hampindrana vola an’i Kaomoro sy hanavotra izao tontolo izao ny Firenena. Asa mbola hisy fahagagana ve raha tarafina amin’izay Fito taona angarangidiny nampidi-kizo an’i Madagasikara ?
Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap