airtel

Fahasalamana

22-juil-2026

15 grama amin’ny dibera fotsiny

Efa mety hanelingelina lalan-drà

Sample post image

Maromaro ny olana ara-pahasalamàna

22-juil-2026

mandritry ny ririnina, hoy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny sampana ara-pahasalamàna Fahasalamàna mamiratra, Zafiharinivo Randriarimanana. Isany, ohatra, hoy izy, ny hoe mangotsongotsoka ny vanintaolana, marary ny nisy, marary an-doha matetika, tsentsintsentsina ny orona. Ao koa ny aretin-tenda, kohakohaka, mety hisy koa ny hoe tapatapaka ny volo. Manampy trotraka an’izay ny hoe ohatran’ny tazotazoina sy malemilemy izay. Toetr’andro ny ririnina fa tsy aretina ary tsy mitondra aretina. Mba hampatanjaka ny hery mamelona anaty vatana dia atao mafàna be ny faladia, ny anaty tratra atao mafàna tsara, raha tsy maintsy hihinana hazandrano matetika dia mampiasà voasary makirana sy tongolo gasy. Aza zatra mihinana tavin-javatra mandry fa 15 grama amin’ny dibera fotsiny dia efa mety hanelingelina lalan-drà. Tsara ny manao fanatanjahantena kely rehefa avy mifoha maraina.ankoatran’ny fiborosiana nisy maraina sy hariva dia ilaina ny misotro rano matetitetika sy manontsam-bava matetitetika. Ilaina ny manatona matetika ireo toeram-pitsaboana aty vava satria ny tsy firaharahiana ny areti-nify dia isan’ny mahatonga olan’ny vanin-taolana, hoy hatrany ny tenany. Ny alarobia 22 jolay (TTF : anio) dia hisy famelabelarana atao ao amin’ny EPP Maibahoaka, manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva, kosa, hoy izy. Mifantoka amin’ny fanovàna toetsaina dieny zatovo no azo ilazàna ny fanofanana omena ao anatin’izany. Mila miroso amin’izany ny zatovo mialohan’ny hidirana amin’ny fahatanoràna, izany hoe, mialohan’ny faha 18 taona. Tsy afaka ny hiantehitra amin’ny ray aman-dreny foana, hoy ny fanazavàna, ilaina ny fianarana mamorona asa dieny izao ary tsy manakana amin’ny fanohizana fianarana izany. Tsara, hoy hatrany ny fanazàvana, manoloana ny fivoarana misy ankehitriny, ny hahaizan’ny tanora sahady izany atao famoron-karena izany, ohatra.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique